Ibisobanuro bya qoran ntagatifu - Ibisobanuro bya Qur'an Ntagatifu mu rurimi rw'ikimadagasikari - Ikigo Rowad Translation Center.

numero y'urupapuro:close

external-link copy
62 : 9

يَحۡلِفُونَ بِٱللَّهِ لَكُمۡ لِيُرۡضُوكُمۡ وَٱللَّهُ وَرَسُولُهُۥٓ أَحَقُّ أَن يُرۡضُوهُ إِن كَانُواْ مُؤۡمِنِينَ

Mianiana amin’i Allah eo anatrehanareo izy ireo mba hahazo ny fahafaham-ponareo. Nefa i Allah sy ny Irany no mendrika hitadiavan’izy ireo fahafaham-po, raha tena Mpino marina izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
63 : 9

أَلَمۡ يَعۡلَمُوٓاْ أَنَّهُۥ مَن يُحَادِدِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ فَأَنَّ لَهُۥ نَارَ جَهَنَّمَ خَٰلِدٗا فِيهَاۚ ذَٰلِكَ ٱلۡخِزۡيُ ٱلۡعَظِيمُ

Moa ve tsy fantatr’izy ireo fa izay manohitra an'i Allah sy ny Irany dia ho sazina amin'ny afon’ny Helo (Afobe) ka hitoetra ao mandrakizay izy? Izany tokoa ilay fahafaham-baraka lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
64 : 9

يَحۡذَرُ ٱلۡمُنَٰفِقُونَ أَن تُنَزَّلَ عَلَيۡهِمۡ سُورَةٞ تُنَبِّئُهُم بِمَا فِي قُلُوبِهِمۡۚ قُلِ ٱسۡتَهۡزِءُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ مُخۡرِجٞ مَّا تَحۡذَرُونَ

Matahotra ireo mpihatsaravelatsihy sao hisy antokontsoratra hampidinina, ka hamboraka izay nokoboniny tao ampony. Ka lazao hoe: “Ataovy ihany ny fanesoanareo! Fa Allah dia tsy maintsy hampiseho izay natahoranareo”. info
التفاسير:

external-link copy
65 : 9

وَلَئِن سَأَلۡتَهُمۡ لَيَقُولُنَّ إِنَّمَا كُنَّا نَخُوضُ وَنَلۡعَبُۚ قُلۡ أَبِٱللَّهِ وَءَايَٰتِهِۦ وَرَسُولِهِۦ كُنتُمۡ تَسۡتَهۡزِءُونَ

Ary raha hanontany izany amin’izy ireo ianao, dia hamaly izy ireo hoe : “Tena marina fa izahay dia niresaka sy nilalao fotsiny”. Teneno hoe : “ Amin’i Allah sy ireo fanambarany ary amin’ny Irany ve no hanaovanareo vazivazy? ” info
التفاسير:

external-link copy
66 : 9

لَا تَعۡتَذِرُواْ قَدۡ كَفَرۡتُم بَعۡدَ إِيمَٰنِكُمۡۚ إِن نَّعۡفُ عَن طَآئِفَةٖ مِّنكُمۡ نُعَذِّبۡ طَآئِفَةَۢ بِأَنَّهُمۡ كَانُواْ مُجۡرِمِينَ

Aza manadio tena eo intsony Ianareo : “ Efa tsy nino Ianareo taorian’ny finoanareo, raha mandefitra amin’ny sasany Aminareo izahay dia tsy handefitra kosa amin’ny sasany hafa, satria izy ireo dia mpanao heloka bevava ”. info
التفاسير:

external-link copy
67 : 9

ٱلۡمُنَٰفِقُونَ وَٱلۡمُنَٰفِقَٰتُ بَعۡضُهُم مِّنۢ بَعۡضٖۚ يَأۡمُرُونَ بِٱلۡمُنكَرِ وَيَنۡهَوۡنَ عَنِ ٱلۡمَعۡرُوفِ وَيَقۡبِضُونَ أَيۡدِيَهُمۡۚ نَسُواْ ٱللَّهَ فَنَسِيَهُمۡۚ إِنَّ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ

Ireo mpihatsaravelatsihy, lahy sy vavy, dia nifanaraka ny andaniny sy ny ankilany, mifaniraka amin’ny ratsy sy mifandrara amin’ny tsara, manakombona ny tànany izy ireo, nanadino an’i Allah izy ireo ka nanadino azy ireo koa Izy. Marina fa ireo mpihatsaravelatsihy dia mpanao ratsy. info
التفاسير:

external-link copy
68 : 9

وَعَدَ ٱللَّهُ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَٱلۡمُنَٰفِقَٰتِ وَٱلۡكُفَّارَ نَارَ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ هِيَ حَسۡبُهُمۡۚ وَلَعَنَهُمُ ٱللَّهُۖ وَلَهُمۡ عَذَابٞ مُّقِيمٞ

Ary i Allah dia nampanantena ireo mpihatsaravelatsihy lahy sy vavy, sy ireo tsy mpino ny Djahannam (ny Afobe) hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ampy ho azy ireo izany. Ary nanozona azy ireo i Allah. Ary ho azy ireo ny sazy maharitra. info
التفاسير: