Ibisobanuro bya qoran ntagatifu - Ibisobanuro bya Qur'an Ntagatifu mu rurimi rw'ikimadagasikari - Ikigo Rowad Translation Center.

numero y'urupapuro:close

external-link copy
21 : 10

وَإِذَآ أَذَقۡنَا ٱلنَّاسَ رَحۡمَةٗ مِّنۢ بَعۡدِ ضَرَّآءَ مَسَّتۡهُمۡ إِذَا لَهُم مَّكۡرٞ فِيٓ ءَايَاتِنَاۚ قُلِ ٱللَّهُ أَسۡرَعُ مَكۡرًاۚ إِنَّ رُسُلَنَا يَكۡتُبُونَ مَا تَمۡكُرُونَ

Ary raha nampandramananay ny famindram-po ireo Olona taorian’ny fahoriana nahazo azy dia indro izy ireo manomana teti-dratsy mikasika ireo Teninay. Teneno hoe : ” Allah no haingana indrindra amin’ny fanomanana tetika. Tena marina fa ireo Irakay (ireo Anjely) dia manoratra ny teti-dratsinareo. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 10

هُوَ ٱلَّذِي يُسَيِّرُكُمۡ فِي ٱلۡبَرِّ وَٱلۡبَحۡرِۖ حَتَّىٰٓ إِذَا كُنتُمۡ فِي ٱلۡفُلۡكِ وَجَرَيۡنَ بِهِم بِرِيحٖ طَيِّبَةٖ وَفَرِحُواْ بِهَا جَآءَتۡهَا رِيحٌ عَاصِفٞ وَجَآءَهُمُ ٱلۡمَوۡجُ مِن كُلِّ مَكَانٖ وَظَنُّوٓاْ أَنَّهُمۡ أُحِيطَ بِهِمۡ دَعَوُاْ ٱللَّهَ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَ لَئِنۡ أَنجَيۡتَنَا مِنۡ هَٰذِهِۦ لَنَكُونَنَّ مِنَ ٱلشَّٰكِرِينَ

Izy no mampandeha Anareo eto an-tany sy eny ambonin-dranomasina, ka rehefa ao anaty sambo mitondra Olona Ianareo, izay misosa nohon'ny rivotra tsara dia faly amin’izany izy ireo. Dia tonga tampoka tamin’izy ireo ny rivo-mahery ary tonga tamin’izy ireo ihany koa ny onja avy amin’ny lafiny rehetra, dia nihevitra izy ireo fa voadidin’ny loza ka nitalaho tamin’i Allah izy ireo tamim-pinoana Azy tanteraka (no sady niteny hoe) : " Raha avotanao amin’izao izahay dia anisan’ireo mpankasitraka Anao.” info
التفاسير:

external-link copy
23 : 10

فَلَمَّآ أَنجَىٰهُمۡ إِذَا هُمۡ يَبۡغُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ بِغَيۡرِ ٱلۡحَقِّۗ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنَّمَا بَغۡيُكُمۡ عَلَىٰٓ أَنفُسِكُمۖ مَّتَٰعَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۖ ثُمَّ إِلَيۡنَا مَرۡجِعُكُمۡ فَنُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ

Nony novonjeny anefa izy ireo, dia indro, teny an-tanety fa nandika tsy ara-drariny ny lalàna. “Ry olombelona! Tsy hiantefa afa-tsy aminareo ihany ny fandikanareo lalàna, fa fahafinaretana mandalo amin’izao fiainana izao izany. Avy eo, dia any Aminay no fiverenanareo, ka ampahatsiarovinay anareo izay nataonareo. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 10

إِنَّمَا مَثَلُ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا كَمَآءٍ أَنزَلۡنَٰهُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ فَٱخۡتَلَطَ بِهِۦ نَبَاتُ ٱلۡأَرۡضِ مِمَّا يَأۡكُلُ ٱلنَّاسُ وَٱلۡأَنۡعَٰمُ حَتَّىٰٓ إِذَآ أَخَذَتِ ٱلۡأَرۡضُ زُخۡرُفَهَا وَٱزَّيَّنَتۡ وَظَنَّ أَهۡلُهَآ أَنَّهُمۡ قَٰدِرُونَ عَلَيۡهَآ أَتَىٰهَآ أَمۡرُنَا لَيۡلًا أَوۡ نَهَارٗا فَجَعَلۡنَٰهَا حَصِيدٗا كَأَن لَّمۡ تَغۡنَ بِٱلۡأَمۡسِۚ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ ٱلۡأٓيَٰتِ لِقَوۡمٖ يَتَفَكَّرُونَ

Tena marina fa ny fiainana eto an-tany dia oharina toy ny rano, izay nampidininay avy any an-danitra ka mifangaro taminy ny zava-manirin’ny tany izay ho hanin’ny Olombelona sy ny biby. Ka rehefa namoaka ny haingony ny tany sy nihatsara, dia nihevitra ny mponina ao Aminy fa eo ambanin’ny fiadidiany tanteraka izany. Dia tonga taminy (tany) ny didinay andro aman’alina, ka nataonay tany voanjinja izany, tahaka ny tany tsy nisy vokatra mihitsy omaly. Tahak’izany no hanazavanay antsipiriany ho an’ny vahoaka manam-pahalalana ireo fanambaranay. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 10

وَٱللَّهُ يَدۡعُوٓاْ إِلَىٰ دَارِ ٱلسَّلَٰمِ وَيَهۡدِي مَن يَشَآءُ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ

Ary i Allah dia miantso mankany amin’ny fonenana feno fiadanana ary mitari-dàlana izay sitrany ho amin’ny làla-mahitsy. info
التفاسير: