د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز

د مخ نمبر:close

external-link copy
158 : 6

هَلۡ يَنظُرُونَ إِلَّآ أَن تَأۡتِيَهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ أَوۡ يَأۡتِيَ رَبُّكَ أَوۡ يَأۡتِيَ بَعۡضُ ءَايَٰتِ رَبِّكَۗ يَوۡمَ يَأۡتِي بَعۡضُ ءَايَٰتِ رَبِّكَ لَا يَنفَعُ نَفۡسًا إِيمَٰنُهَا لَمۡ تَكُنۡ ءَامَنَتۡ مِن قَبۡلُ أَوۡ كَسَبَتۡ فِيٓ إِيمَٰنِهَا خَيۡرٗاۗ قُلِ ٱنتَظِرُوٓاْ إِنَّا مُنتَظِرُونَ

Moa ve hiandry izy ireo afa-tsy ny hahatongavan’ireo Anjely na ny hahatongavan’ny Tomponao na ny hahatongavan’ny sasany amin’ireo famantarana avy amin’ny Tomponao ? Amin’ny andro izay hahatongavan’ny sasany amin’ireo famantarana avy amin’ny Tomponao dia tsy hitera-boka-tsoa ho an’ny tena ny finoan’izay mbola tsy nino teo aloha, na koa izay mbola tsy nahazo fahasoavana tamin’ny finoany. Teneno hoe : “Miandrasa ary ianareo, fa izahay koa dia miandry”. info
التفاسير:

external-link copy
159 : 6

إِنَّ ٱلَّذِينَ فَرَّقُواْ دِينَهُمۡ وَكَانُواْ شِيَعٗا لَّسۡتَ مِنۡهُمۡ فِي شَيۡءٍۚ إِنَّمَآ أَمۡرُهُمۡ إِلَى ٱللَّهِ ثُمَّ يُنَبِّئُهُم بِمَا كَانُواْ يَفۡعَلُونَ

Marina fa ireo izay nampizarazara ny finoan’izy ireo ka lasa nisy fizarazarana maro, tsy manan-draharahara amin’izy ireo ianao na dia kely aza. Tena marina fa ny raharaha momba azy ireo dia any amin’I Allah. Avy eo dia hilaza azy ireo Izy, amin’izay asa nataon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
160 : 6

مَن جَآءَ بِٱلۡحَسَنَةِ فَلَهُۥ عَشۡرُ أَمۡثَالِهَاۖ وَمَن جَآءَ بِٱلسَّيِّئَةِ فَلَا يُجۡزَىٰٓ إِلَّا مِثۡلَهَا وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ

Na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia hahazo folo avo heny amin’izany izy ary na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa ratsy dia tsy ho valiana izy afa-tsy ny mitovy amin’izany ihany. Ary tsy hanaovana ny tsy rariny izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
161 : 6

قُلۡ إِنَّنِي هَدَىٰنِي رَبِّيٓ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ دِينٗا قِيَمٗا مِّلَّةَ إِبۡرَٰهِيمَ حَنِيفٗاۚ وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ

Teneno hoe : “Tena marina fa izaho dia notarihin’ny Tompoko amin’ny lala-mahitsy, finoana izay mahitsy, finoan’i Abrahama, izay madio, ary tsy anisan’ireo mpanompo Sampy Izy. info
التفاسير:

external-link copy
162 : 6

قُلۡ إِنَّ صَلَاتِي وَنُسُكِي وَمَحۡيَايَ وَمَمَاتِي لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Teneno hoe : “Tena marina fa ny fivavahako sy ny sorona izay ataoko, ny fahavelomako sy ny fahafatesako dia an’I Allah Tompon’izao Tontolo izao. info
التفاسير:

external-link copy
163 : 6

لَا شَرِيكَ لَهُۥۖ وَبِذَٰلِكَ أُمِرۡتُ وَأَنَا۠ أَوَّلُ ٱلۡمُسۡلِمِينَ

Tsy manana Mpikambana Aminy Izy ! Ary izany no nandidiana ahy ary izaho no voalohany amin’ireo nankato an'I Allah”. info
التفاسير:

external-link copy
164 : 6

قُلۡ أَغَيۡرَ ٱللَّهِ أَبۡغِي رَبّٗا وَهُوَ رَبُّ كُلِّ شَيۡءٖۚ وَلَا تَكۡسِبُ كُلُّ نَفۡسٍ إِلَّا عَلَيۡهَاۚ وَلَا تَزِرُ وَازِرَةٞ وِزۡرَ أُخۡرَىٰۚ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّكُم مَّرۡجِعُكُمۡ فَيُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمۡ فِيهِ تَخۡتَلِفُونَ

Teneno hoe : “Ankoatran’I Allah ve no tadiaviko ho Tompo, nefa Izy no Tompon’ny zava-drehetra ? Ny tsirairay dia tsy hahazo afa-tsy amin’ny asa izay nataony ihany ary tsy misy na dia iray aza hibaby ny enta-mavesatry ny hafa. Avy eo, any amin’ny Tomponareo no hiverenanareo, ka hambarany aminareo izay zavatra nampifanditra anareo. info
التفاسير:

external-link copy
165 : 6

وَهُوَ ٱلَّذِي جَعَلَكُمۡ خَلَٰٓئِفَ ٱلۡأَرۡضِ وَرَفَعَ بَعۡضَكُمۡ فَوۡقَ بَعۡضٖ دَرَجَٰتٖ لِّيَبۡلُوَكُمۡ فِي مَآ ءَاتَىٰكُمۡۗ إِنَّ رَبَّكَ سَرِيعُ ٱلۡعِقَابِ وَإِنَّهُۥ لَغَفُورٞ رَّحِيمُۢ

Ary Izy no nanao anareo ho taranaka nifandimby eto an-tany, nampiakatra ny mari-boninahin'ny sasany eo aminareo manoloana ny sasany hafa, mba hitsapany anareo amin’izay nomeny anareo. Marina fa ny Tomponao dia haingam-panasaziana. Ary tena marina fa Izy dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana. info
التفاسير: