Kilniojo Korano reikšmių vertimas - Vertimas į malagasų k. - Ruad vertimų centras

Puslapio numeris:close

external-link copy
238 : 2

حَٰفِظُواْ عَلَى ٱلصَّلَوَٰتِ وَٱلصَّلَوٰةِ ٱلۡوُسۡطَىٰ وَقُومُواْ لِلَّهِ قَٰنِتِينَ

Aoka ianareo hitandro mandrakariva ireo vavaka fanompoana (soalat), indrindra ny vavaka fanompoana afovoany ; ary mitsangana amim-panetrentena eo anatrehan’Allah ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
239 : 2

فَإِنۡ خِفۡتُمۡ فَرِجَالًا أَوۡ رُكۡبَانٗاۖ فَإِذَآ أَمِنتُمۡ فَٱذۡكُرُواْ ٱللَّهَ كَمَا عَلَّمَكُم مَّا لَمۡ تَكُونُواْ تَعۡلَمُونَ

Fa raha matahotra ianareo , dia tanterahonareo am-pandehanana na am-pitaingenana (ny Soalat), fa rehefa milamina ianareo dia tsarovinareo Allah, tahaka ny nampianarany anareo tamin’ny fotoana mbola tsy nahalalanareo. info
التفاسير:

external-link copy
240 : 2

وَٱلَّذِينَ يُتَوَفَّوۡنَ مِنكُمۡ وَيَذَرُونَ أَزۡوَٰجٗا وَصِيَّةٗ لِّأَزۡوَٰجِهِم مَّتَٰعًا إِلَى ٱلۡحَوۡلِ غَيۡرَ إِخۡرَاجٖۚ فَإِنۡ خَرَجۡنَ فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ فِي مَا فَعَلۡنَ فِيٓ أَنفُسِهِنَّ مِن مَّعۡرُوفٖۗ وَٱللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٞ

Ary ireo izay nindaosin’ny fahafatesana taminareo, ka namela ireo vady andefimandriny, dia tokony hametraka hafatra mba ho fitsinjovana ireny vehivavy mananon-tena ireny, ka tsy handroaka azy amin’ny trano misy azy hatramin’ny iray taona katroka. Kanefa raha izy ireny kosa no mandeha an-tsitrapo, dia tsy mahakasika anareo intsony izay ataon’izy ireny amimpahamendrehana eo amin’ny fiainany. Ary Allah no Tsitoha sy be fahendrena. info
التفاسير:

external-link copy
241 : 2

وَلِلۡمُطَلَّقَٰتِ مَتَٰعُۢ بِٱلۡمَعۡرُوفِۖ حَقًّا عَلَى ٱلۡمُتَّقِينَ

Ary ho an’ireo vehivavy misara-bady dia zony ny hahazo vatsy am-pahamendrehana adidy ho an’ireo manam-pahatahorana izany. info
التفاسير:

external-link copy
242 : 2

كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمۡ ءَايَٰتِهِۦ لَعَلَّكُمۡ تَعۡقِلُونَ

Toy izany no hanazavan’Allah ho anareo ireo porofo famantarana avy Aminy, mba hisainanareo. info
التفاسير:

external-link copy
243 : 2

۞ أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ خَرَجُواْ مِن دِيَٰرِهِمۡ وَهُمۡ أُلُوفٌ حَذَرَ ٱلۡمَوۡتِ فَقَالَ لَهُمُ ٱللَّهُ مُوتُواْ ثُمَّ أَحۡيَٰهُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَذُو فَضۡلٍ عَلَى ٱلنَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَشۡكُرُونَ

Tsy mba hitanareo va ireo izay nandao ny fonenany, an’arivony maro, noho ny fahatahorana an-drafahafatesana? Ka hoy Allah tamin’izy ireo : “Matesa ianareo”. Ary avy eo dia novelominy indray izy ireo. Hamafisina, fa feno ny fahasoavan’Allah ho an’ny olombelona, fa saingy maro amin’ny olombelona no tsy mankasitraka. info
التفاسير:

external-link copy
244 : 2

وَقَٰتِلُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٞ

Ary miadia ianareo amin’ny làlan’i Allah, ary tadidionareo fa Allah dia tena Maheno sy Mahalala ny zavatra rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
245 : 2

مَّن ذَا ٱلَّذِي يُقۡرِضُ ٱللَّهَ قَرۡضًا حَسَنٗا فَيُضَٰعِفَهُۥ لَهُۥٓ أَضۡعَافٗا كَثِيرَةٗۚ وَٱللَّهُ يَقۡبِضُ وَيَبۡصُۜطُ وَإِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ

Fa izay mampindrana an’Allah fampindramana tsara, dia haveriny aminy avo heny maro izany. Ary Allah no mitazona sy manome sesehena ny fahasoavany. Any Aminy rahateo no mbola hamerenana anareo. info
التفاسير: