وه‌رگێڕانی ماناكانی قورئانی پیرۆز - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

At-tour

external-link copy
1 : 52

وَٱلطُّورِ

Mianiana amin’ny tendrombohitra ‘’ Toor ’’ Aho. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 52

وَكِتَٰبٖ مَّسۡطُورٖ

Amin’ny boky voasoratra, info
التفاسير:

external-link copy
3 : 52

فِي رَقّٖ مَّنشُورٖ

Ao amin’ny taratasy mivelatra, info
التفاسير:

external-link copy
4 : 52

وَٱلۡبَيۡتِ ٱلۡمَعۡمُورِ

Amin’ilay trano feno, info
التفاسير:

external-link copy
5 : 52

وَٱلسَّقۡفِ ٱلۡمَرۡفُوعِ

Amin’ny lanitra ambony. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 52

وَٱلۡبَحۡرِ ٱلۡمَسۡجُورِ

Amin’ny ranomasina ampangotrahana (amin’ny andro farany) info
التفاسير:

external-link copy
7 : 52

إِنَّ عَذَابَ رَبِّكَ لَوَٰقِعٞ

Fa tsy maintsy hitranga ny famaizan’ny Tomponao. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 52

مَّا لَهُۥ مِن دَافِعٖ

Tsy misy afaka hisakana izany. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 52

يَوۡمَ تَمُورُ ٱلسَّمَآءُ مَوۡرٗا

Amin’ny andro hampikorontana tanteraka ny lanitra. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 52

وَتَسِيرُ ٱلۡجِبَالُ سَيۡرٗا

Ary andehanan’ireo tendrombohitra. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 52

فَوَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ

Amin’izany andro izany, dia loza ho an’ireo nilaza lainga (ny famantarana avy amin’Allah) info
التفاسير:

external-link copy
12 : 52

ٱلَّذِينَ هُمۡ فِي خَوۡضٖ يَلۡعَبُونَ

Ireo izay nandany andro amin’ny resaka tsy misy antony, info
التفاسير:

external-link copy
13 : 52

يَوۡمَ يُدَعُّونَ إِلَىٰ نَارِ جَهَنَّمَ دَعًّا

Amin’ny andro izay hanosehana azy ireo an-keriny, ho any amin’ny afon’ny helo. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 52

هَٰذِهِ ٱلنَّارُ ٱلَّتِي كُنتُم بِهَا تُكَذِّبُونَ

Indro ny afo, izay noheverinareo ho lainga. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 52

أَفَسِحۡرٌ هَٰذَآ أَمۡ أَنتُمۡ لَا تُبۡصِرُونَ

Majika va izany, sa ianareo no tsy mahita tsara ? info
التفاسير:

external-link copy
16 : 52

ٱصۡلَوۡهَا فَٱصۡبِرُوٓاْ أَوۡ لَا تَصۡبِرُواْ سَوَآءٌ عَلَيۡكُمۡۖ إِنَّمَا تُجۡزَوۡنَ مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ

Miareta ao ianareo ! Na miaritra ianareo na tsy miaritra, dia mitovy ihany izany ho anareo, fa araka izay nataonareo no amaliana anareo. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 52

إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي جَنَّٰتٖ وَنَعِيمٖ

Ho ao amin’ireo zaridaina sy fahasambarana ireo vontom-pinoana, info
التفاسير:

external-link copy
18 : 52

فَٰكِهِينَ بِمَآ ءَاتَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡ وَوَقَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡ عَذَابَ ٱلۡجَحِيمِ

Hifaly izy ireo amin’izay homen’ny Tompony azy, ary harovan’ny Tompony amin’ny famaizan’ny afo mamaivay izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 52

كُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ هَنِيٓـَٔۢا بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ

Koa mihinana ary misotroa amim-pilaminana ianareo, ho valisoa tamin’izay nataonareo. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 52

مُتَّكِـِٔينَ عَلَىٰ سُرُرٖ مَّصۡفُوفَةٖۖ وَزَوَّجۡنَٰهُم بِحُورٍ عِينٖ

Mitehin-kiho eo ambony fandriana tsara lamina, ary dia homenay tovovavy baribarimaso ho vady izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 52

وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَٱتَّبَعَتۡهُمۡ ذُرِّيَّتُهُم بِإِيمَٰنٍ أَلۡحَقۡنَا بِهِمۡ ذُرِّيَّتَهُمۡ وَمَآ أَلَتۡنَٰهُم مِّنۡ عَمَلِهِم مِّن شَيۡءٖۚ كُلُّ ٱمۡرِيِٕۭ بِمَا كَسَبَ رَهِينٞ

Ireo izay mino, ka narahin’ny taranany tamin’ny finoana, dia hataonay izay hihaonan’ny taranany amin’izy ireo. Ary tsy hahenanay velively ny fahamendrehan’ny asa izay nataony, fa samy tompon’andraikitra amin’izay nataony ny tsirairay. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 52

وَأَمۡدَدۡنَٰهُم بِفَٰكِهَةٖ وَلَحۡمٖ مِّمَّا يَشۡتَهُونَ

Ho vatsianay voankazo sy hena maro izay tadiaviny izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 52

يَتَنَٰزَعُونَ فِيهَا كَأۡسٗا لَّا لَغۡوٞ فِيهَا وَلَا تَأۡثِيمٞ

Hifanolotra kapoaka izy ireo ao, ka tsy hiteraka fihamboana izany, na fanomezan-tsiny. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 52

۞ وَيَطُوفُ عَلَيۡهِمۡ غِلۡمَانٞ لَّهُمۡ كَأَنَّهُمۡ لُؤۡلُؤٞ مَّكۡنُونٞ

Dia hisy tovolahy hivezivezy ao, hiasa ho azy ireo, toy ireny vatosoa tsara tahiry. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 52

وَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ

Ary hifampitodika izy ireo hifanontany. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 52

قَالُوٓاْ إِنَّا كُنَّا قَبۡلُ فِيٓ أَهۡلِنَا مُشۡفِقِينَ

ka hiteny izy ireo hoe : ‘’ Niaina tao anatin’ny tahotra isika, teo amin’ny fianakaviantsika." info
التفاسير:

external-link copy
27 : 52

فَمَنَّ ٱللَّهُ عَلَيۡنَا وَوَقَىٰنَا عَذَابَ ٱلسَّمُومِ

Ka nomen’I Allah tombotsoa manokana isika sady narovany tamin’ny famaizan’ny fofofofon’ny afo. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 52

إِنَّا كُنَّا مِن قَبۡلُ نَدۡعُوهُۖ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡبَرُّ ٱلرَّحِيمُ

Izy no nantsointsika taloha. Fa izy no mpiantra, ilay be indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 52

فَذَكِّرۡ فَمَآ أَنتَ بِنِعۡمَتِ رَبِّكَ بِكَاهِنٖ وَلَا مَجۡنُونٍ

Ampahatsiarovy àry amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tomponao, fa tsy mpisikidy ianao na adala. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 52

أَمۡ يَقُولُونَ شَاعِرٞ نَّتَرَبَّصُ بِهِۦ رَيۡبَ ٱلۡمَنُونِ

Na koa hiteny izy ireo hoe: “ Mpanao tononkalo ! Aoka handrasantsika ho azy ny kapokin'ny fahafatesana ”. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 52

قُلۡ تَرَبَّصُواْ فَإِنِّي مَعَكُم مِّنَ ٱلۡمُتَرَبِّصِينَ

Ka lazao hoe : “ Miandrasa ianareo ! Fa isan’ny miandry miaraka aminareo aho ”. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 52

أَمۡ تَأۡمُرُهُمۡ أَحۡلَٰمُهُم بِهَٰذَآۚ أَمۡ هُمۡ قَوۡمٞ طَاغُونَ

Ny sain’izy ireo va no mibaiko izany ? Sa olona mpanao ratsy tafahoatra izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
33 : 52

أَمۡ يَقُولُونَ تَقَوَّلَهُۥۚ بَل لَّا يُؤۡمِنُونَ

Na koa nilaza izy ireo hoe : “ Iza ihany no namorona izany ? ” .Tsia,saingy tsy mino izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 52

فَلۡيَأۡتُواْ بِحَدِيثٖ مِّثۡلِهِۦٓ إِن كَانُواْ صَٰدِقِينَ

Raha izany, aoka izy ireo hamorona lahateny mitovy aminy (koroany), raha mpilaza ny marina tokoa izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 52

أَمۡ خُلِقُواْ مِنۡ غَيۡرِ شَيۡءٍ أَمۡ هُمُ ٱلۡخَٰلِقُونَ

Nohariana avy amin’ny tsy misy va izy ireo, sa izy ireo no mpahary ? info
التفاسير:

external-link copy
36 : 52

أَمۡ خَلَقُواْ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَۚ بَل لَّا يُوقِنُونَ

Sa nahary ny lanitra sy ny tany va izy ireo ? Nefa toa tsy mino mihitsy izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
37 : 52

أَمۡ عِندَهُمۡ خَزَآئِنُ رَبِّكَ أَمۡ هُمُ ٱلۡمُصَۜيۡطِرُونَ

Manana ireo tahiry sarobidin’ny Tomponao va izy ireo ? Sa izy ireo no tompo tsy refesi-mandidy ? info
التفاسير:

external-link copy
38 : 52

أَمۡ لَهُمۡ سُلَّمٞ يَسۡتَمِعُونَ فِيهِۖ فَلۡيَأۡتِ مُسۡتَمِعُهُم بِسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٍ

Manana tohatra enti-mihaino va izy ireo ? Koa aoka izay nihaino tamin’izy ireo hitondra porofo mazava ! info
التفاسير:

external-link copy
39 : 52

أَمۡ لَهُ ٱلۡبَنَٰتُ وَلَكُمُ ٱلۡبَنُونَ

Manan-janaka vavy va Allah, fa ny anareo kosa zanaka lahy ? info
التفاسير:

external-link copy
40 : 52

أَمۡ تَسۡـَٔلُهُمۡ أَجۡرٗا فَهُم مِّن مَّغۡرَمٖ مُّثۡقَلُونَ

Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao, hany ka vesan-trosa maro izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
41 : 52

أَمۡ عِندَهُمُ ٱلۡغَيۡبُ فَهُمۡ يَكۡتُبُونَ

Sa mahafantatra ny zava-miafina va izy ireo, ka manao izany an-tsoratra ? info
التفاسير:

external-link copy
42 : 52

أَمۡ يُرِيدُونَ كَيۡدٗاۖ فَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ هُمُ ٱلۡمَكِيدُونَ

Sa mitady hanao tetika va izy ireo ? Saingy izay tsy mino ihany no ho voan’ny tetika ataony. info
التفاسير:

external-link copy
43 : 52

أَمۡ لَهُمۡ إِلَٰهٌ غَيۡرُ ٱللَّهِۚ سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ عَمَّا يُشۡرِكُونَ

Sa manana andriamanitra hafa ankoatra an’I Allah va izy ireo ? Voninahitra anie ho an’I Allah, ary feno fahadiovana amin’izay natambatr’izy ireo Aminy izy ! info
التفاسير:

external-link copy
44 : 52

وَإِن يَرَوۡاْ كِسۡفٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ سَاقِطٗا يَقُولُواْ سَحَابٞ مَّرۡكُومٞ

Raha mahita sombiny amin’ny lanitra milatsaka izy ireo, dia miteny hoe : “ Rahona mifanongoa izany ”. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 52

فَذَرۡهُمۡ حَتَّىٰ يُلَٰقُواْ يَوۡمَهُمُ ٱلَّذِي فِيهِ يُصۡعَقُونَ

Avelao any àry izy ireo, mandra-pifanojoany amin’ny andro hilatsahan’ny varatra amin’izy ireo, info
التفاسير:

external-link copy
46 : 52

يَوۡمَ لَا يُغۡنِي عَنۡهُمۡ كَيۡدُهُمۡ شَيۡـٔٗا وَلَا هُمۡ يُنصَرُونَ

Andro tsy hilan’izy ireo ny hafetsena intsony sady tsy ho vonjena izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 52

وَإِنَّ لِلَّذِينَ ظَلَمُواْ عَذَابٗا دُونَ ذَٰلِكَ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ

Hahazo famaizana mialoha ireo mpanao ny tsy rariny. Saingy tsy mahafantatra ny ankamaroan’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 52

وَٱصۡبِرۡ لِحُكۡمِ رَبِّكَ فَإِنَّكَ بِأَعۡيُنِنَاۖ وَسَبِّحۡ بِحَمۡدِ رَبِّكَ حِينَ تَقُومُ

Koa zakao amim-paharetana ny didin’ny Tomponao, fa eo ambany masonay ianao. Ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao rehefa eo am-pitsanganana ianao. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 52

وَمِنَ ٱلَّيۡلِ فَسَبِّحۡهُ وَإِدۡبَٰرَ ٱلنُّجُومِ

Omeo voninahitra Izy amin’ny ampahany amin’ny alina, sy rehefa hilentika ny kintana. info
التفاسير: