ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
6 : 65

أَسۡكِنُوهُنَّ مِنۡ حَيۡثُ سَكَنتُم مِّن وُجۡدِكُمۡ وَلَا تُضَآرُّوهُنَّ لِتُضَيِّقُواْ عَلَيۡهِنَّۚ وَإِن كُنَّ أُوْلَٰتِ حَمۡلٖ فَأَنفِقُواْ عَلَيۡهِنَّ حَتَّىٰ يَضَعۡنَ حَمۡلَهُنَّۚ فَإِنۡ أَرۡضَعۡنَ لَكُمۡ فَـَٔاتُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ وَأۡتَمِرُواْ بَيۡنَكُم بِمَعۡرُوفٖۖ وَإِن تَعَاسَرۡتُمۡ فَسَتُرۡضِعُ لَهُۥٓ أُخۡرَىٰ

Ary ataovy izay hitoeran’ireny vehivavy ireny amin’izay itoeranareo, araka izay fahefanareo, fa aza mitady hanisy ratsy azy amin’ny fanerena azy ireny hipetraka amin’ny fahaterena, ary raha mitoe-jaza izy, dia omeo izay ilainy hatramin’ny fiterahany. Fa raha mampinono ny zanakareo izy, dia omeo azy ny karamany. Mifampidiniha amim-pahamendrehana mikasika izany ianareo. Fa raha misy olana eo aminareo dia vehivavy hafa no mampinono ny zaza. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 65

لِيُنفِقۡ ذُو سَعَةٖ مِّن سَعَتِهِۦۖ وَمَن قُدِرَ عَلَيۡهِ رِزۡقُهُۥ فَلۡيُنفِقۡ مِمَّآ ءَاتَىٰهُ ٱللَّهُۚ لَا يُكَلِّفُ ٱللَّهُ نَفۡسًا إِلَّا مَآ ءَاتَىٰهَاۚ سَيَجۡعَلُ ٱللَّهُ بَعۡدَ عُسۡرٖ يُسۡرٗا

Aoka hanao fandaniana amin’ny hareny, izay manana izany, fa izay manana ny kely kosa, aoka hanao fandaniana araka izay nomen’Allah azy. Tsy manery na iza na iza hanao mihoatra izay nomena azy Allah, ary ampanarahan’Allah aorian’ny fahasarotana ny fahamorana. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 65

وَكَأَيِّن مِّن قَرۡيَةٍ عَتَتۡ عَنۡ أَمۡرِ رَبِّهَا وَرُسُلِهِۦ فَحَاسَبۡنَٰهَا حِسَابٗا شَدِيدٗا وَعَذَّبۡنَٰهَا عَذَابٗا نُّكۡرٗا

Ary irifiry ireo tanàna no nandà ny didin’Allah sy ireo Irany. Nangatahanay tatitra hentitra izy ireo, ary nofaizinay tamin'ny famaizana tsy hay lazaina. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 65

فَذَاقَتۡ وَبَالَ أَمۡرِهَا وَكَانَ عَٰقِبَةُ أَمۡرِهَا خُسۡرًا

Dia nanandrana ny vokatry ny fitondran-tenany izy ireo. Fa fahaverezana no vokatra farany tamin’izay nataony. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 65

أَعَدَّ ٱللَّهُ لَهُمۡ عَذَابٗا شَدِيدٗاۖ فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ يَٰٓأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْۚ قَدۡ أَنزَلَ ٱللَّهُ إِلَيۡكُمۡ ذِكۡرٗا

Nanomana fanasaziana mafy ho azy ireo Allah;matahora an’Allah àry ianareo ry manan-tsaina, izay manam-pinoana. Nampidina fampahatsiarovana taminareo tokoa Allah. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 65

رَّسُولٗا يَتۡلُواْ عَلَيۡكُمۡ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ مُبَيِّنَٰتٖ لِّيُخۡرِجَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ مِنَ ٱلظُّلُمَٰتِ إِلَى ٱلنُّورِۚ وَمَن يُؤۡمِنۢ بِٱللَّهِ وَيَعۡمَلۡ صَٰلِحٗا يُدۡخِلۡهُ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۖ قَدۡ أَحۡسَنَ ٱللَّهُ لَهُۥ رِزۡقًا

Ireo iraka izay nilaza ireo andininy avy amin'I Allah, ho porofo mazava, mba hamoahana ireo mino sy manao asa soa avy ao amin’ny haizina, ho amin’ny hazavana, fa izay mino an’I Allah sy manao ny soa, dia hampidiriny ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay doria, anjaram-pahasoavana tsara no hatolotr'I Allah ho azy. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 65

ٱللَّهُ ٱلَّذِي خَلَقَ سَبۡعَ سَمَٰوَٰتٖ وَمِنَ ٱلۡأَرۡضِ مِثۡلَهُنَّۖ يَتَنَزَّلُ ٱلۡأَمۡرُ بَيۡنَهُنَّ لِتَعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ وَأَنَّ ٱللَّهَ قَدۡ أَحَاطَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عِلۡمَۢا

Allah no nahary ny lanitra fito sy ny tany mitovy amin'izany. Midina eo anelanelan’izy ireo ny didiny, mba hahafantaranareo, fa mahefa ny zava-drehetra tokoa Allah, ary manenika ny zava-drehetra ny fahalalany. info
التفاسير: