ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

At-twalaq

external-link copy
1 : 65

يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ إِذَا طَلَّقۡتُمُ ٱلنِّسَآءَ فَطَلِّقُوهُنَّ لِعِدَّتِهِنَّ وَأَحۡصُواْ ٱلۡعِدَّةَۖ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ رَبَّكُمۡۖ لَا تُخۡرِجُوهُنَّ مِنۢ بُيُوتِهِنَّ وَلَا يَخۡرُجۡنَ إِلَّآ أَن يَأۡتِينَ بِفَٰحِشَةٖ مُّبَيِّنَةٖۚ وَتِلۡكَ حُدُودُ ٱللَّهِۚ وَمَن يَتَعَدَّ حُدُودَ ٱللَّهِ فَقَدۡ ظَلَمَ نَفۡسَهُۥۚ لَا تَدۡرِي لَعَلَّ ٱللَّهَ يُحۡدِثُ بَعۡدَ ذَٰلِكَ أَمۡرٗا

Ry mpaminany ! Rehefa sarahanareo ireo vehivavy dia saraho mifanaraka amin’ny fotoana fiandrasana efa voafetra izy; ary aoka ianareo hanisa ny fe-potoana, matahora an’I Allah Tomponareo ianareo. Aza roahina amin’ny tranony izy ireny, ary aoka tsy hivoaka ao, raha tsy nanao fitondran-tena maloto voaporofo.Izany no didin’I Allah fa izay mandika ny didin’Allah dia manao ny tsy rariny amin’ny tenany ihany. Tsy fantatrao, raha hampiseho zavatra hafa aorian’izany Allah. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 65

فَإِذَا بَلَغۡنَ أَجَلَهُنَّ فَأَمۡسِكُوهُنَّ بِمَعۡرُوفٍ أَوۡ فَارِقُوهُنَّ بِمَعۡرُوفٖ وَأَشۡهِدُواْ ذَوَيۡ عَدۡلٖ مِّنكُمۡ وَأَقِيمُواْ ٱلشَّهَٰدَةَ لِلَّهِۚ ذَٰلِكُمۡ يُوعَظُ بِهِۦ مَن كَانَ يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۚ وَمَن يَتَّقِ ٱللَّهَ يَجۡعَل لَّهُۥ مَخۡرَجٗا

Ary rehefa mahatratra ny fotoana efa voafetra izy ireo dia tazony amin’ny fomba mendrika, na saraho amin’ny fomba mendrika ihany koa, ary dia makà lehilahy roa mpandala ny rariny eo aminareo mba ho vavolombelona. Ka ataovy eo anatrehan’I Allah ny fijoroana ho vavolombelona.Izany no ananarana izay mino an’I Allah sy ny andro farany fa izay matahotra an’I Allah dia omeny vahaolana tsara. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 65

وَيَرۡزُقۡهُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَحۡتَسِبُۚ وَمَن يَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِ فَهُوَ حَسۡبُهُۥٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ بَٰلِغُ أَمۡرِهِۦۚ قَدۡ جَعَلَ ٱللَّهُ لِكُلِّ شَيۡءٖ قَدۡرٗا

Ary hotolorany anjaram-pahasoavana amin’ny fomba tsy ampoiziny, izay miantehitra amin’I Allah dia ampy ho azy Izy. Tanterao ny baikon'Allah, fa efa nasian’Allah fetra ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 65

وَٱلَّٰٓـِٔي يَئِسۡنَ مِنَ ٱلۡمَحِيضِ مِن نِّسَآئِكُمۡ إِنِ ٱرۡتَبۡتُمۡ فَعِدَّتُهُنَّ ثَلَٰثَةُ أَشۡهُرٖ وَٱلَّٰٓـِٔي لَمۡ يَحِضۡنَۚ وَأُوْلَٰتُ ٱلۡأَحۡمَالِ أَجَلُهُنَّ أَن يَضَعۡنَ حَمۡلَهُنَّۚ وَمَن يَتَّقِ ٱللَّهَ يَجۡعَل لَّهُۥ مِنۡ أَمۡرِهِۦ يُسۡرٗا

Raha nisalasala ianareo mikasika ny vadinareo izay tsy manantena fadim-bolana intsony dia telo volana ny fe-potoana. Toy izany koa ho an’ireo mbola tsy mandeha fadim-bolana. Fa ho an’ireo mitoe-jaza kosa, dia amin’ny fiterahany ny fe-potoana fiandrasana. Ho an’izay matahotra an’i Allah anefa dia ankamorany izany. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 65

ذَٰلِكَ أَمۡرُ ٱللَّهِ أَنزَلَهُۥٓ إِلَيۡكُمۡۚ وَمَن يَتَّقِ ٱللَّهَ يُكَفِّرۡ عَنۡهُ سَيِّـَٔاتِهِۦ وَيُعۡظِمۡ لَهُۥٓ أَجۡرًا

Izany no baikon’Allah nampidininy ho anareo. Ho an’izay matahotra an’Allah kosa dia foanany ny hadisoany ary omeny valisoa lehibe izy ireo. info
التفاسير: