ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
45 : 42

وَتَرَىٰهُمۡ يُعۡرَضُونَ عَلَيۡهَا خَٰشِعِينَ مِنَ ٱلذُّلِّ يَنظُرُونَ مِن طَرۡفٍ خَفِيّٖۗ وَقَالَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِنَّ ٱلۡخَٰسِرِينَ ٱلَّذِينَ خَسِرُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ وَأَهۡلِيهِمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۗ أَلَآ إِنَّ ٱلظَّٰلِمِينَ فِي عَذَابٖ مُّقِيمٖ

Ary dia ho hitanao eo anoloan’ny afobe izy ireo, mitaintaina ao anatin’ny henatra, sady mijery amim-pahatahorana, fa ireo nino kosa hiteny hoe : “ ny tena maty antoka dia ireo izay nanomana ny fahaverezany sy ny fianakaviany, amin’ny andro fitsanganana.” Hiharan’ny fanasaziana maharitra tokoa ireo mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 42

وَمَا كَانَ لَهُم مِّنۡ أَوۡلِيَآءَ يَنصُرُونَهُم مِّن دُونِ ٱللَّهِۗ وَمَن يُضۡلِلِ ٱللَّهُ فَمَا لَهُۥ مِن سَبِيلٍ

Tsy hanana mpiahy ankoatra an’I Allah izy ireo hamonjy azy, ary izay verezin’I Allah dia tsy hahita lalana intsony. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 42

ٱسۡتَجِيبُواْ لِرَبِّكُم مِّن قَبۡلِ أَن يَأۡتِيَ يَوۡمٞ لَّا مَرَدَّ لَهُۥ مِنَ ٱللَّهِۚ مَا لَكُم مِّن مَّلۡجَإٖ يَوۡمَئِذٖ وَمَا لَكُم مِّن نَّكِيرٖ

Valio ny antson’ny Tomponareo, mialohan’ny hahatongavan’ilay andro (farany) izay tsy hanemoran'Allah intsony. Amin’io andro io, dia tsy hisy fialokalofana ho anareo, ka tsy ho azonareo lavina mihitsy. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 42

فَإِنۡ أَعۡرَضُواْ فَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ عَلَيۡهِمۡ حَفِيظًاۖ إِنۡ عَلَيۡكَ إِلَّا ٱلۡبَلَٰغُۗ وَإِنَّآ إِذَآ أَذَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ مِنَّا رَحۡمَةٗ فَرِحَ بِهَاۖ وَإِن تُصِبۡهُمۡ سَيِّئَةُۢ بِمَا قَدَّمَتۡ أَيۡدِيهِمۡ فَإِنَّ ٱلۡإِنسَٰنَ كَفُورٞ

Koa raha mitsipaka izy ireo dia tsy hiantoka ny famonjena azy ireo no nandefasanay anao, fa ny mampita ihany no andraikitrao. Ary rehefa omenay famindram-po avy aminay ny olombelona, dia mifaly ; fa raha tra-doza kosa izy ireo noho izay nataon’ny tànany ihany, hamafisina, fa tsy mahay mankasitraka tokoa ny olombelona. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 42

لِّلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ يَخۡلُقُ مَا يَشَآءُۚ يَهَبُ لِمَن يَشَآءُ إِنَٰثٗا وَيَهَبُ لِمَن يَشَآءُ ٱلذُّكُورَ

An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Mahary araka izay tiany Izy. Manome zazavavy ho an’izay tiany homena izany Izy, ary manome zazalahy ihany koa, ho an’izay tiany homena izany, info
التفاسير:

external-link copy
50 : 42

أَوۡ يُزَوِّجُهُمۡ ذُكۡرَانٗا وَإِنَٰثٗاۖ وَيَجۡعَلُ مَن يَشَآءُ عَقِيمًاۚ إِنَّهُۥ عَلِيمٞ قَدِيرٞ

Na koa sady manome zazalahy Izy no manome zazavavy ary ataony momba izay tiany ho amin’izany. Hamafisina, fa mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra Izy. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 42

۞ وَمَا كَانَ لِبَشَرٍ أَن يُكَلِّمَهُ ٱللَّهُ إِلَّا وَحۡيًا أَوۡ مِن وَرَآيِٕ حِجَابٍ أَوۡ يُرۡسِلَ رَسُولٗا فَيُوحِيَ بِإِذۡنِهِۦ مَا يَشَآءُۚ إِنَّهُۥ عَلِيٌّ حَكِيمٞ

Tsy natao hitenenan’I Allah (mivantana) ny olombelona, raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana, na ambadiky ny rakotra, na mandefa Iraka (Anjely) izay nahazo alalana avy Aminy izy, hitondra ny fanambarana, araka izay sitrany. Ambony indrindra Izy sady be fahendrena. info
التفاسير: