ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
16 : 15

وَلَقَدۡ جَعَلۡنَا فِي ٱلسَّمَآءِ بُرُوجٗا وَزَيَّنَّٰهَا لِلنَّٰظِرِينَ

Marina fa nametraka ireo kintana maro eny an-danitra Izahay ary nohatsaraina izy (ny lanitra) ho an’ireo izay mijery azy. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 15

وَحَفِظۡنَٰهَا مِن كُلِّ شَيۡطَٰنٖ رَّجِيمٍ

Ary narovanay Izy (ny lanitra) tamin’i Satana tsirairay izay voahozona. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 15

إِلَّا مَنِ ٱسۡتَرَقَ ٱلسَّمۡعَ فَأَتۡبَعَهُۥ شِهَابٞ مُّبِينٞ

Raha tsy mihaino antsokosoko ny anakiray amin’izy ireo, dia lela afo mamirapiratra no manenjika Azy. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 15

وَٱلۡأَرۡضَ مَدَدۡنَٰهَا وَأَلۡقَيۡنَا فِيهَا رَوَٰسِيَ وَأَنۢبَتۡنَا فِيهَا مِن كُلِّ شَيۡءٖ مَّوۡزُونٖ

Fa ny tany kosa, dia novelarinay ka nametrahanay ireo tendrombohitra eo Aminy, ary nampitsirianay ao aminy ny zavatra tsirairay, mirindra no sady mifandanja tsara. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 15

وَجَعَلۡنَا لَكُمۡ فِيهَا مَعَٰيِشَ وَمَن لَّسۡتُمۡ لَهُۥ بِرَٰزِقِينَ

Ary napetrakay ao Aminy ireo zavatra hivelomanareo, sy ireo (zava-manan’aina) izay tsy novelominareo akory. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 15

وَإِن مِّن شَيۡءٍ إِلَّا عِندَنَا خَزَآئِنُهُۥ وَمَا نُنَزِّلُهُۥٓ إِلَّا بِقَدَرٖ مَّعۡلُومٖ

Ary tsy misy zavatra na dia iray aza tsy anananay tahiry; ary tsy mampidina izany Izahay raha tsy amin’ny fatra voafetra. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 15

وَأَرۡسَلۡنَا ٱلرِّيَٰحَ لَوَٰقِحَ فَأَنزَلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَسۡقَيۡنَٰكُمُوهُ وَمَآ أَنتُمۡ لَهُۥ بِخَٰزِنِينَ

Ary Nalefanay ny rivotra ho mpamokatra, ary Nampidininay avy eny an-danitra ny rano izay hampisotroinay Anareo, nefa tsy afaka hitahiry izany Ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 15

وَإِنَّا لَنَحۡنُ نُحۡيِۦ وَنُمِيتُ وَنَحۡنُ ٱلۡوَٰرِثُونَ

Ary marina fa tena manome ny fiainana sy ny fahafatesana Izahay, ary Izahay ihany koa no Mpandova (ny zava-drehetra). info
التفاسير:

external-link copy
24 : 15

وَلَقَدۡ عَلِمۡنَا ٱلۡمُسۡتَقۡدِمِينَ مِنكُمۡ وَلَقَدۡ عَلِمۡنَا ٱلۡمُسۡتَـٔۡخِرِينَ

Marina fa fantatray tokoa ireo izay efa lasa teo aloha Taminareo, ary efa fantatray koa Ireo izay mbola any aoriana. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 15

وَإِنَّ رَبَّكَ هُوَ يَحۡشُرُهُمۡۚ إِنَّهُۥ حَكِيمٌ عَلِيمٞ

Ary marina tokoa fa ny Tomponao no hamory azy ireo. Marina fa Izy dia be Fahendrena sy mahafantatra ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 15

وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ مِن صَلۡصَٰلٖ مِّنۡ حَمَإٖ مَّسۡنُونٖ

Ary tena nahary ny Olombelona avy amin’ny tany maina sy ny fotaka malemy Izahay. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 15

وَٱلۡجَآنَّ خَلَقۡنَٰهُ مِن قَبۡلُ مِن نَّارِ ٱلسَّمُومِ

Fa ny Djiny kosa dia noharianay taloha avy amin’ny Afo mafana mamaivay. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 15

وَإِذۡ قَالَ رَبُّكَ لِلۡمَلَٰٓئِكَةِ إِنِّي خَٰلِقُۢ بَشَرٗا مِّن صَلۡصَٰلٖ مِّنۡ حَمَإٖ مَّسۡنُونٖ

Ary raha niteny tamin’ireo Anjely ny Tomponao ka nanao hoe : “ Izaho dia hamorona Olona avy amin’ny tany maina alaina avy amin’ny fotaka malemy. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 15

فَإِذَا سَوَّيۡتُهُۥ وَنَفَخۡتُ فِيهِ مِن رُّوحِي فَقَعُواْ لَهُۥ سَٰجِدِينَ

Ary raha vao vitako amin’ny fomba mirindra tsara dia notsofiko Taminy ny fofon’aina avy Amiko, dia miantoraha ka miankohofa eo Aminy Ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 15

فَسَجَدَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ كُلُّهُمۡ أَجۡمَعُونَ

Ary dia niara-niankohoka daholo ireo Anjely rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 15

إِلَّآ إِبۡلِيسَ أَبَىٰٓ أَن يَكُونَ مَعَ ٱلسَّٰجِدِينَ

Afa-tsy i Iblisy (Satana), nandà tsy ho anisan’ireo mpiankohoka Izy. info
التفاسير: