クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター

Al-motwaffifìna

external-link copy
1 : 83

وَيۡلٞ لِّلۡمُطَفِّفِينَ

Loza ho an'ireo mpisoloky, info
التفاسير:

external-link copy
2 : 83

ٱلَّذِينَ إِذَا ٱكۡتَالُواْ عَلَى ٱلنَّاسِ يَسۡتَوۡفُونَ

dia ireo, izay mitaky fahamarinam-pamàrana rehefa mampamàtra hoan'ny tenan'izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 83

وَإِذَا كَالُوهُمۡ أَو وَّزَنُوهُمۡ يُخۡسِرُونَ

Ary rehefa mamàtra, na mandanja hoan'ny hafa kosa dia mangalatra! info
التفاسير:

external-link copy
4 : 83

أَلَا يَظُنُّ أُوْلَٰٓئِكَ أَنَّهُم مَّبۡعُوثُونَ

Moa ve tsy mihevitra izy ireo fa hatsangana amin'ny maty? info
التفاسير:

external-link copy
5 : 83

لِيَوۡمٍ عَظِيمٖ

Amin'ny ilay andro iray lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 83

يَوۡمَ يَقُومُ ٱلنَّاسُ لِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Ilay andro izay hitsanganan'ny olombelona amin'ny maty manoloana ilay Tompon'izao tontolo izao. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 83

كَلَّآ إِنَّ كِتَٰبَ ٱلۡفُجَّارِ لَفِي سِجِّينٖ

Tsia! ny tena marina anefa ireo olona tsy vanon-toetra ireo dia voasoratra ao anatin'ny takelaka misy ny olon'ny Afo be. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 83

وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا سِجِّينٞ

Moa fantatrao ve izany takelaka izany? info
التفاسير:

external-link copy
9 : 83

كِتَٰبٞ مَّرۡقُومٞ

Boky efa voasoratra. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 83

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ

loza hoan'ireo izay mpanda an'izany andro farany izany. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 83

ٱلَّذِينَ يُكَذِّبُونَ بِيَوۡمِ ٱلدِّينِ

Dia ireo izay tsy nino ny Andro fitsarana. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 83

وَمَا يُكَذِّبُ بِهِۦٓ إِلَّا كُلُّ مُعۡتَدٍ أَثِيمٍ

tsy misy nanda izany anefa afa-tsy izay mpihoa-pefy sy ny mpanota matevi-koditra ihany. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 83

إِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِ ءَايَٰتُنَا قَالَ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ

Koa rehefa torìna aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 83

كَلَّاۖ بَلۡۜ رَانَ عَلَىٰ قُلُوبِهِم مَّا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ

Tsia! Indrisy anefa fa voarakotr'ireo zava-bitany ny fon'izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 83

كَلَّآ إِنَّهُمۡ عَن رَّبِّهِمۡ يَوۡمَئِذٖ لَّمَحۡجُوبُونَ

Tsia! Tena marina izy ireo, amin'izany andro izany, dia tsy hahita ny Tompon'izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 83

ثُمَّ إِنَّهُمۡ لَصَالُواْ ٱلۡجَحِيمِ

Ary dia ho ao anatin'ny Afobe mandrakizay. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 83

ثُمَّ يُقَالُ هَٰذَا ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ

Rehefa izany dia hambara amin'izy ireo hoe: "io ary ilay zavatra nolavinareo". info
التفاسير:

external-link copy
18 : 83

كَلَّآ إِنَّ كِتَٰبَ ٱلۡأَبۡرَارِ لَفِي عِلِّيِّينَ

Tsia! Fa ireo feno fankatoavana an'I Allah kosa dia voasoratra ao anatin'ny takelaka misy ny olon'ny Paradisa. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 83

وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا عِلِّيُّونَ

Moa ve fantatrao izany takelaka misy ny olon'ny paradisa izany. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 83

كِتَٰبٞ مَّرۡقُومٞ

Boky efa voasoratra. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 83

يَشۡهَدُهُ ٱلۡمُقَرَّبُونَ

Ho vavolombelona ny amin'izay ireo anjely. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 83

إِنَّ ٱلۡأَبۡرَارَ لَفِي نَعِيمٍ

Eny! Tena marina, ireo feno fankatoavana an'I Allah, dia ho ao anatin'ny fiadanana. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 83

عَلَى ٱلۡأَرَآئِكِ يَنظُرُونَ

Ka eo ambon'ny toerana avo no hitazanan'izy ireo ny fahavalon'I Allah. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 83

تَعۡرِفُ فِي وُجُوهِهِمۡ نَضۡرَةَ ٱلنَّعِيمِ

Hitanao taratra eny amin'ny endrik'izy ireo ny hazavam-pahasoavana. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 83

يُسۡقَوۡنَ مِن رَّحِيقٖ مَّخۡتُومٍ

Hampisotroina azy ireo ny fisotro tsara indrindra voatokana ho azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 83

خِتَٰمُهُۥ مِسۡكٞۚ وَفِي ذَٰلِكَ فَلۡيَتَنَافَسِ ٱلۡمُتَنَٰفِسُونَ

Ny tsirony eo am-piafarana dia manitra, mamerovero, ka tokony hifaninana ny amin'izany ireo te-hifaninana. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 83

وَمِزَاجُهُۥ مِن تَسۡنِيمٍ

zava-pisotro izay nifangaro tamin'ny loharanon'ny Tasnima. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 83

عَيۡنٗا يَشۡرَبُ بِهَا ٱلۡمُقَرَّبُونَ

loharano izay fisotroan'ireo izay akaikin'I Allah info
التفاسير:

external-link copy
29 : 83

إِنَّ ٱلَّذِينَ أَجۡرَمُواْ كَانُواْ مِنَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ يَضۡحَكُونَ

Tena marina, ireo tsy mpino dia nandrebireby sy nanao fihomezana ireo mpino fahiny. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 83

وَإِذَا مَرُّواْ بِهِمۡ يَتَغَامَزُونَ

ary raha sendra mandalo eo anoloan'ireo mpino izy ireo dia mangarika. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 83

وَإِذَا ٱنقَلَبُوٓاْ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِمُ ٱنقَلَبُواْ فَكِهِينَ

rehefa miverina any amin'ny fianakaviany izy ireo, dia miverina am-pandrebirebiana sy am-panesoana ireo mpino. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 83

وَإِذَا رَأَوۡهُمۡ قَالُوٓاْ إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ لَضَآلُّونَ

ary rehefa mahita ny mpino izy ireo dia milaza fa tena olom-bery ireo. info
التفاسير:

external-link copy
33 : 83

وَمَآ أُرۡسِلُواْ عَلَيۡهِمۡ حَٰفِظِينَ

ary tsy nandefasana ireo anjely mpiambina akory izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 83

فَٱلۡيَوۡمَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مِنَ ٱلۡكُفَّارِ يَضۡحَكُونَ

fa amin'ny Andro farany kosa dia hihomehy ireo mpikomy ny mpino. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 83

عَلَى ٱلۡأَرَآئِكِ يَنظُرُونَ

Ka eo ambony toerana avo no hitazanan'izy ireo ny fahavalon'i Allah. info
التفاسير:

external-link copy
36 : 83

هَلۡ ثُوِّبَ ٱلۡكُفَّارُ مَا كَانُواْ يَفۡعَلُونَ

Moa ve efa nampiharina tamin'ireo mpikomy ny valin'asa nataon'izy ireo taloha? info
التفاسير: