クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター

ページ番号:close

external-link copy
105 : 7

حَقِيقٌ عَلَىٰٓ أَن لَّآ أَقُولَ عَلَى ٱللَّهِ إِلَّا ٱلۡحَقَّۚ قَدۡ جِئۡتُكُم بِبَيِّنَةٖ مِّن رَّبِّكُمۡ فَأَرۡسِلۡ مَعِيَ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ

Tsy mendrika ny hiteny mahakasik’I Allah Aho afa-tsy ny marina. Tonga aminareo tokoa aho miaraka amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tomponareo. Koa alefaso miaraka Amiko àry ireo zanak’Israely. info
التفاسير:

external-link copy
106 : 7

قَالَ إِن كُنتَ جِئۡتَ بِـَٔايَةٖ فَأۡتِ بِهَآ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ

Niteny izy nanao hoe : “Raha tonga miaraka amin’ny fahagagana ianao, dia asehoy izany, raha isan’ireo olo-marina ianao”. info
التفاسير:

external-link copy
107 : 7

فَأَلۡقَىٰ عَصَاهُ فَإِذَا هِيَ ثُعۡبَانٞ مُّبِينٞ

Ka natorany ny tehiny, dia nivadika bibilava lehibe miharihary izany. info
التفاسير:

external-link copy
108 : 7

وَنَزَعَ يَدَهُۥ فَإِذَا هِيَ بَيۡضَآءُ لِلنَّٰظِرِينَ

Ary navoakany ny tanany, dia lasa fotsy mamirapiratra teo amin’ireo mpijery izany. info
التفاسير:

external-link copy
109 : 7

قَالَ ٱلۡمَلَأُ مِن قَوۡمِ فِرۡعَوۡنَ إِنَّ هَٰذَا لَسَٰحِرٌ عَلِيمٞ

Niteny ireo loholona tamin’ny vahoakan’i Faraona nanao hoe : “Tena mpanao majika mahay tokoa izy io". info
التفاسير:

external-link copy
110 : 7

يُرِيدُ أَن يُخۡرِجَكُم مِّنۡ أَرۡضِكُمۡۖ فَمَاذَا تَأۡمُرُونَ

Mila hamoaka anareo hiala amin’ny tanànanareo Izy”. “Ka inona no hevitra omenareo ?” info
التفاسير:

external-link copy
111 : 7

قَالُوٓاْ أَرۡجِهۡ وَأَخَاهُ وَأَرۡسِلۡ فِي ٱلۡمَدَآئِنِ حَٰشِرِينَ

Niteny izy ireo nanao hoe : “Ampiandraso Izy sy ny rahalahiny ,ary andefaso iraka mankany amin’ireo tanàna mba hamory olona". info
التفاسير:

external-link copy
112 : 7

يَأۡتُوكَ بِكُلِّ سَٰحِرٍ عَلِيمٖ

Ho tonga eo aminao izy ireo miaraka amin’ny mpanao majika rehetra tena mahay”. info
التفاسير:

external-link copy
113 : 7

وَجَآءَ ٱلسَّحَرَةُ فِرۡعَوۡنَ قَالُوٓاْ إِنَّ لَنَا لَأَجۡرًا إِن كُنَّا نَحۡنُ ٱلۡغَٰلِبِينَ

Ary tonga teo amin’i Faraona ireo mpanao majika ka niteny hoe : “Moa ve hisy valisoa ho anay raha izahay no mivoaka ho mpandresy ?” info
التفاسير:

external-link copy
114 : 7

قَالَ نَعَمۡ وَإِنَّكُمۡ لَمِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ

Niteny izy hoe : “Eny ! Ary tena ho isan’ireo akaiky ahy ianareo”. info
التفاسير:

external-link copy
115 : 7

قَالُواْ يَٰمُوسَىٰٓ إِمَّآ أَن تُلۡقِيَ وَإِمَّآ أَن نَّكُونَ نَحۡنُ ٱلۡمُلۡقِينَ

Niteny izy ireo nanao hoe : “O ry Mosesy ! Na ianao no hanipy na izahay no hanipy voalohany”. info
التفاسير:

external-link copy
116 : 7

قَالَ أَلۡقُواْۖ فَلَمَّآ أَلۡقَوۡاْ سَحَرُوٓاْ أَعۡيُنَ ٱلنَّاسِ وَٱسۡتَرۡهَبُوهُمۡ وَجَآءُو بِسِحۡرٍ عَظِيمٖ

Niteny Izy nanao hoe : “Atsipio ny anareo”. Rehefa nanipy izy ireo, dia nanova ny mason’ireo olona izy ireo ary koa nampihorohoro azy ireo, ary tonga niaraka tamin’ny majika mahery vaika izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
117 : 7

۞ وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَىٰٓ أَنۡ أَلۡقِ عَصَاكَۖ فَإِذَا هِيَ تَلۡقَفُ مَا يَأۡفِكُونَ

Ary nandefasanay hafatra i Mosesy nanao hoe : “Atsipio ny tehinao”. Dia indro izany fa nitsaingoka izay rehetra noforonin’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
118 : 7

فَوَقَعَ ٱلۡحَقُّ وَبَطَلَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ

Ka dia tanteraka tokoa ny marina ary rava izay rehetra nataon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
119 : 7

فَغُلِبُواْ هُنَالِكَ وَٱنقَلَبُواْ صَٰغِرِينَ

Ka dia resy tamin’izany izy ireo ary lasa afa-baraka. info
التفاسير:

external-link copy
120 : 7

وَأُلۡقِيَ ٱلسَّحَرَةُ سَٰجِدِينَ

Dia niantoraka niankohoka ireo mpanao majika. info
التفاسير: