クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター

Al-hashr

external-link copy
1 : 59

سَبَّحَ لِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۖ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ

Manome voninahitra an’I Allah izay any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no ilay tsitoha, ilay be fahendrena. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 59

هُوَ ٱلَّذِيٓ أَخۡرَجَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ مِن دِيَٰرِهِمۡ لِأَوَّلِ ٱلۡحَشۡرِۚ مَا ظَنَنتُمۡ أَن يَخۡرُجُواْۖ وَظَنُّوٓاْ أَنَّهُم مَّانِعَتُهُمۡ حُصُونُهُم مِّنَ ٱللَّهِ فَأَتَىٰهُمُ ٱللَّهُ مِنۡ حَيۡثُ لَمۡ يَحۡتَسِبُواْۖ وَقَذَفَ فِي قُلُوبِهِمُ ٱلرُّعۡبَۚ يُخۡرِبُونَ بُيُوتَهُم بِأَيۡدِيهِمۡ وَأَيۡدِي ٱلۡمُؤۡمِنِينَ فَٱعۡتَبِرُواْ يَٰٓأُوْلِي ٱلۡأَبۡصَٰرِ

Izy no namoaka izay tsy nino tao amin’ny tranon’izy ireo, tamin’ireo olon’ny Boky, tamin’ny famoriana voalohany. Tsy noheverinareo handeha izy ireo, ary nihevitra izy ireo, fa niaro azy amin’I Allah ny toeram-pialofany, saingy tonga teo amin’izy ireo tamin’ny tsy nampoiziny ny didin'I Allah, ka nampiditra horohoro tao am-pony. Ny tanan’izy ireo ihany, sy ny tanan’ireo mpino no nandrodana ny tranony. Makà anatra amin’izany ianareo ry nomena fahiratana. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 59

وَلَوۡلَآ أَن كَتَبَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمُ ٱلۡجَلَآءَ لَعَذَّبَهُمۡ فِي ٱلدُّنۡيَاۖ وَلَهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ عَذَابُ ٱلنَّارِ

Fa raha tsy efa nodidin’I Allah mialoha ny fialan’izy ireo tamin’ny taniny, dia nosaziany teto an-tany tokoa izy ireo, ary hahazo famaizan’ny afo any ankoatra. info
التفاسير: