クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター

ページ番号:close

external-link copy
45 : 4

وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِأَعۡدَآئِكُمۡۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَلِيّٗا وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ نَصِيرٗا

Ary I Allah no tena mahalala ireo fahavalonareo. Ary ampy ho Mpiahy I Allah. Ampy ho Mpanavotra I Allah. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 4

مِّنَ ٱلَّذِينَ هَادُواْ يُحَرِّفُونَ ٱلۡكَلِمَ عَن مَّوَاضِعِهِۦ وَيَقُولُونَ سَمِعۡنَا وَعَصَيۡنَا وَٱسۡمَعۡ غَيۡرَ مُسۡمَعٖ وَرَٰعِنَا لَيَّۢا بِأَلۡسِنَتِهِمۡ وَطَعۡنٗا فِي ٱلدِّينِۚ وَلَوۡ أَنَّهُمۡ قَالُواْ سَمِعۡنَا وَأَطَعۡنَا وَٱسۡمَعۡ وَٱنظُرۡنَا لَكَانَ خَيۡرٗا لَّهُمۡ وَأَقۡوَمَ وَلَٰكِن لَّعَنَهُمُ ٱللَّهُ بِكُفۡرِهِمۡ فَلَا يُؤۡمِنُونَ إِلَّا قَلِيلٗا

Misy amin’ireo Jiosy izay manova ny teny hiala amin’ny heviny, ka miteny hoe manao : “Henonay izany nefa tsy ankatoavinay”, “Henoy na dia tsy mihaino anao aza”, “Omeo lanja izahay ”, miteny ratsy ny lelan’izy ireo sady manenjika ny finoana. Ary raha mba miteny izy ireo hoe : “Henonay sy ankatoavinay”, “Henoy sy jereo izahay ”, dia tsara ho azy ireo izany sy tena mahitsy kokoa. Kanefa moa dia nozonin’I Allah izy ireo nohon'ny tsy finoany, ka tsy mino afa-tsy ny vitsy an'isa amin’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 4

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ ءَامِنُواْ بِمَا نَزَّلۡنَا مُصَدِّقٗا لِّمَا مَعَكُم مِّن قَبۡلِ أَن نَّطۡمِسَ وُجُوهٗا فَنَرُدَّهَا عَلَىٰٓ أَدۡبَارِهَآ أَوۡ نَلۡعَنَهُمۡ كَمَا لَعَنَّآ أَصۡحَٰبَ ٱلسَّبۡتِۚ وَكَانَ أَمۡرُ ٱللَّهِ مَفۡعُولًا

Ô ianareo izay nomena ny Boky ! Minoa ianareo an’izay efa nampidininay taminareo, izay manamarina ny eo am-pelatananareo, alohany Izahay hamafa ireo tarehy sy hanodinanay izany, ny aloha mankany aoriana; na hanozonanay azy ireo tahaka ny nanozonanay ireo olon’ny Sabata. Ary ny didin’I Allah dia tsy maintsy tanteraka. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 4

إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَغۡفِرُ أَن يُشۡرَكَ بِهِۦ وَيَغۡفِرُ مَا دُونَ ذَٰلِكَ لِمَن يَشَآءُۚ وَمَن يُشۡرِكۡ بِٱللَّهِ فَقَدِ ٱفۡتَرَىٰٓ إِثۡمًا عَظِيمًا

Tena marina fa I Allah dia tsy mamela heloka raha hakambana amin’ny zavatra hafa Izy. Fa mamela heloka kosa Izy amin’izay ankoatra izany, ho an’izay sitrany. N'iza n'iza manakambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa, dia efa nahavita fahotana lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 4

أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ يُزَكُّونَ أَنفُسَهُمۚ بَلِ ٱللَّهُ يُزَكِّي مَن يَشَآءُ وَلَا يُظۡلَمُونَ فَتِيلًا

Tsy hitanao ve ireo izay manadio ny tenany ? Kanefa I Allah no manadio izay sitrany; ary tsy ho hambakaina izy ireo na dia kely tahaka ny voan’atrendry aza. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 4

ٱنظُرۡ كَيۡفَ يَفۡتَرُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَۖ وَكَفَىٰ بِهِۦٓ إِثۡمٗا مُّبِينًا

Mba jereo, ahoana ny fomba entin’izy ireo mamoron-dainga mahakasik’I Allah ? Ary ampy ho fahotana miharihary izany. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 4

أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ أُوتُواْ نَصِيبٗا مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِ يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡجِبۡتِ وَٱلطَّٰغُوتِ وَيَقُولُونَ لِلَّذِينَ كَفَرُواْ هَٰٓؤُلَآءِ أَهۡدَىٰ مِنَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ سَبِيلًا

Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny ampahan’ny Boky, mino ny sampy sy ny mpiara-miombon'antoka aminy, ary miteny an’ireo tsy nino manao hoe : “Izy ireny no voatari-dàlana kokoa noho ireo izay nino”? info
التفاسير: