クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター

Maryam

external-link copy
1 : 19

كٓهيعٓصٓ

Kàf, Hà,Yà,A'in, Swàd. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 19

ذِكۡرُ رَحۡمَتِ رَبِّكَ عَبۡدَهُۥ زَكَرِيَّآ

Tantaran’ny famindram-pon’ny Tomponao, tamin’i Zakaria mpanompony. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 19

إِذۡ نَادَىٰ رَبَّهُۥ نِدَآءً خَفِيّٗا

Rehefa niantso ny Tompony Izy tamin’ny fitalahoana mangina, info
التفاسير:

external-link copy
4 : 19

قَالَ رَبِّ إِنِّي وَهَنَ ٱلۡعَظۡمُ مِنِّي وَٱشۡتَعَلَ ٱلرَّأۡسُ شَيۡبٗا وَلَمۡ أَكُنۢ بِدُعَآئِكَ رَبِّ شَقِيّٗا

Sady niteny nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Osa ireto taolako, ary nirongatra ny volo fotsy eo amin’ny lohako. ka nefa, tsy mbola diso fanantenana mihitsy Aho amin’ny fitalahoana Aminao, ô ry Tompoko ! info
التفاسير:

external-link copy
5 : 19

وَإِنِّي خِفۡتُ ٱلۡمَوَٰلِيَ مِن وَرَآءِي وَكَانَتِ ٱمۡرَأَتِي عَاقِرٗا فَهَبۡ لِي مِن لَّدُنكَ وَلِيّٗا

Matahotra Aho ny amin’ny fitondran-tenan’ireo mpandova Ahy aoriako. Ary ny vadiko dia momba, ka mba omeo taranaka avy Aminao Aho. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 19

يَرِثُنِي وَيَرِثُ مِنۡ ءَالِ يَعۡقُوبَۖ وَٱجۡعَلۡهُ رَبِّ رَضِيّٗا

Izay handova Ahy, sy handova ny taranak’i Jakoba. Ka ataovy ho anisan’izay ankasitrahanao Izy, ô ry Tompoko ! ”. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 19

يَٰزَكَرِيَّآ إِنَّا نُبَشِّرُكَ بِغُلَٰمٍ ٱسۡمُهُۥ يَحۡيَىٰ لَمۡ نَجۡعَل لَّهُۥ مِن قَبۡلُ سَمِيّٗا

“ Ô ry Zakaria ! Manambara vaovao mahafaly ho Anao Izahay, fa hanana Zanaka lahy Ianao, ary ny anarany dia : Yahya (Jaona). Tsy mbola misy nomenay anarana mitovy amin’izany teo aloha. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 19

قَالَ رَبِّ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي غُلَٰمٞ وَكَانَتِ ٱمۡرَأَتِي عَاقِرٗا وَقَدۡ بَلَغۡتُ مِنَ ٱلۡكِبَرِ عِتِيّٗا

Ary niteny izy (Zakaria) nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Ahoana no hananako Zanaka lahy, nefa momba ny vadiko, ary Izaho dia efa tra-pahanterana ? ” info
التفاسير:

external-link copy
9 : 19

قَالَ كَذَٰلِكَ قَالَ رَبُّكَ هُوَ عَلَيَّ هَيِّنٞ وَقَدۡ خَلَقۡتُكَ مِن قَبۡلُ وَلَمۡ تَكُ شَيۡـٔٗا

Niteny taminy Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ho tanteraka izany ! ”. Niteny ny Tomponao ka nanao hoe : “ Mora Amiko izany ! Talohan’izany, nahary Anao Aho, nefa tsy mbola nisy Anao ”. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 19

قَالَ رَبِّ ٱجۡعَل لِّيٓ ءَايَةٗۖ قَالَ ءَايَتُكَ أَلَّا تُكَلِّمَ ٱلنَّاسَ ثَلَٰثَ لَيَالٖ سَوِيّٗا

Niteny Izy (Zakaria) nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Omeo famantarana Aho ”. Dia niteny (Allah) ka nanao hoe : “ Ny famantarana ho Anao dia tsy afaka hiteny aman’olona Ianao mandritra ny telo alina, nefa ho salama tsara Ianao. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 19

فَخَرَجَ عَلَىٰ قَوۡمِهِۦ مِنَ ٱلۡمِحۡرَابِ فَأَوۡحَىٰٓ إِلَيۡهِمۡ أَن سَبِّحُواْ بُكۡرَةٗ وَعَشِيّٗا

Dia nivoaka ny toerana masina Izy, ka nankany amin’ny vahoakany ; dia nanao famantarana tamin’izy ireo izy mba hitalaho (amin’i Allah) maraina sy hariva. info
التفاسير: