Traduzione dei Significati del Sacro Corano - Traduzione malgascia - Pioneer Translation Center (Ruwwad at-Tarjama)

Al-fath

external-link copy
1 : 48

إِنَّا فَتَحۡنَا لَكَ فَتۡحٗا مُّبِينٗا

Marina tokoa fa nomenay fandresena miezinezina ianao. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 48

لِّيَغۡفِرَ لَكَ ٱللَّهُ مَا تَقَدَّمَ مِن ذَنۢبِكَ وَمَا تَأَخَّرَ وَيُتِمَّ نِعۡمَتَهُۥ عَلَيۡكَ وَيَهۡدِيَكَ صِرَٰطٗا مُّسۡتَقِيمٗا

Mba hamelan’I Allah izay mety ho fahadisoanao, na tamin’ny lasa izany na ny ho avy; sy hamenoany ny fahasoavany aminao, dia tarihany any amin’ny lalana mahitsy hatrany ianao ; info
التفاسير:

external-link copy
3 : 48

وَيَنصُرَكَ ٱللَّهُ نَصۡرًا عَزِيزًا

Ary homen’I Allah anao ny famonjena matanjaka. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 48

هُوَ ٱلَّذِيٓ أَنزَلَ ٱلسَّكِينَةَ فِي قُلُوبِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ لِيَزۡدَادُوٓاْ إِيمَٰنٗا مَّعَ إِيمَٰنِهِمۡۗ وَلِلَّهِ جُنُودُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمٗا

Izy no nampidina ny fahatoniana tao am-pon’ireo mpino mba hampitombo ny finoana efa ao amin’izy ireo. An’I Allah ny tafikin'ny lanitra sy ny tany; ary mahafantatra ny zavatra rehetra sy be fahendrena Allah. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 48

لِّيُدۡخِلَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَا وَيُكَفِّرَ عَنۡهُمۡ سَيِّـَٔاتِهِمۡۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عِندَ ٱللَّهِ فَوۡزًا عَظِيمٗا

Mba ho ampidirana ireo mpino lahy sy vavy ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny, izay hipetrahan’izy ireo mandrakizay, ary hamafany ny asa ratsin’izy ireo. Fahombiazana lehibe tokoa izany eo anatrehan’ny tompo Allah. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 48

وَيُعَذِّبَ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَٱلۡمُنَٰفِقَٰتِ وَٱلۡمُشۡرِكِينَ وَٱلۡمُشۡرِكَٰتِ ٱلظَّآنِّينَ بِٱللَّهِ ظَنَّ ٱلسَّوۡءِۚ عَلَيۡهِمۡ دَآئِرَةُ ٱلسَّوۡءِۖ وَغَضِبَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمۡ وَلَعَنَهُمۡ وَأَعَدَّ لَهُمۡ جَهَنَّمَۖ وَسَآءَتۡ مَصِيرٗا

Ary hanasaziany ireo mpihatsaravelatsihy, lahy sy vavy, ireo mpampitambatra an'I Allah amin’ny hafa, lahy sy vavy, izay mieritreri-dratsy an'I Allah. Hiverina amin’izy ireo ihany anie ny ratsy, tezitra amin’izy ireo Allah, sy nanozona azy ireo ary nanomana ny afobe ho azy ireo. Fiafarana ratsy tokoa izany ! info
التفاسير:

external-link copy
7 : 48

وَلِلَّهِ جُنُودُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمًا

An’I Allah ireo tafiky ny lanitra sy ny tany, ary Allah no tsitoha sy be fahendrena. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 48

إِنَّآ أَرۡسَلۡنَٰكَ شَٰهِدٗا وَمُبَشِّرٗا وَنَذِيرٗا

Ho vavolombelona sy mpilaza vaovao tsara, ary ho mpampitandrina no nandefasanay anao. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 48

لِّتُؤۡمِنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ وَتُعَزِّرُوهُ وَتُوَقِّرُوهُۚ وَتُسَبِّحُوهُ بُكۡرَةٗ وَأَصِيلًا

Mba hinoanareo an’I Allah sy ny irany, sy hanajanareo Azy, hanekenareo ny fahamendrehany, ary hanomezanareo voninahitr'Azy marain-tsy hariva. info
التفاسير: