Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd.

Numéro de la page:close

external-link copy
46 : 29

۞ وَلَا تُجَٰدِلُوٓاْ أَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ إِلَّا بِٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُ إِلَّا ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ مِنۡهُمۡۖ وَقُولُوٓاْ ءَامَنَّا بِٱلَّذِيٓ أُنزِلَ إِلَيۡنَا وَأُنزِلَ إِلَيۡكُمۡ وَإِلَٰهُنَا وَإِلَٰهُكُمۡ وَٰحِدٞ وَنَحۡنُ لَهُۥ مُسۡلِمُونَ

Ary aza miady hevitra amin’ireo olon’ny Boky ianareo, raha tsy amin’ny fomba mendrika indrindra, afa-tsy izay manao ny tsy rariny amin’izy ireo, ary teneno hoe : “Izahay dia mino izay nampidinina taminay sy izay nampidinina taminareo, ary ny Zanaharinay sy ny Zanaharinareo dia iray ihany. Ary izahay dia manetry tena eo Aminy”. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 29

وَكَذَٰلِكَ أَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَۚ فَٱلَّذِينَ ءَاتَيۡنَٰهُمُ ٱلۡكِتَٰبَ يُؤۡمِنُونَ بِهِۦۖ وَمِنۡ هَٰٓؤُلَآءِ مَن يُؤۡمِنُ بِهِۦۚ وَمَا يَجۡحَدُ بِـَٔايَٰتِنَآ إِلَّا ٱلۡكَٰفِرُونَ

Ary toy izany no nampidinanay taminao ny Boky Kor’any. Fa ireo izay nomenay ny Boky dia mino izany. Ary misy amin’izy ireny (arabo) ihany koa no mino izany. Fa tsy misy mandà ireo fanambarànay afa-tsy ireo izay tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 29

وَمَا كُنتَ تَتۡلُواْ مِن قَبۡلِهِۦ مِن كِتَٰبٖ وَلَا تَخُطُّهُۥ بِيَمِينِكَۖ إِذٗا لَّٱرۡتَابَ ٱلۡمُبۡطِلُونَ

Ary ianao dia tsy mba namaky na boky iray aza talohan’izany, ary tsy mba nanoratra izany koa tamin’ny tànanao havanana. Raha tsy izany, dia nanana fisalasalana ireo izay mitsipaka ny fahamarinana. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 29

بَلۡ هُوَ ءَايَٰتُۢ بَيِّنَٰتٞ فِي صُدُورِ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَۚ وَمَا يَجۡحَدُ بِـَٔايَٰتِنَآ إِلَّا ٱلظَّٰلِمُونَ

Mifototra amin’ny andian-teny mazava anefa izany (Kor’any), izay ao anatin’ny fon’ireo nomena fahalalana. Fa tsy misy mandà ireo fanambarànay afa-tsy ireo izay mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 29

وَقَالُواْ لَوۡلَآ أُنزِلَ عَلَيۡهِ ءَايَٰتٞ مِّن رَّبِّهِۦۚ قُلۡ إِنَّمَا ٱلۡأٓيَٰتُ عِندَ ٱللَّهِ وَإِنَّمَآ أَنَا۠ نَذِيرٞ مُّبِينٌ

Ary miteny izy ireo hoe : “Nahoana no tsy nampidinina taminy ny fahagagana maro izay avy amin’ny Tompony ?” Teneno hoe : “Ireo fahagagana dia eo anatrehan’i Allah. Ary tsy inona aho afa-tsy mpampitandrina miharihary”. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 29

أَوَلَمۡ يَكۡفِهِمۡ أَنَّآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ يُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَرَحۡمَةٗ وَذِكۡرَىٰ لِقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ

Moa tsy ampy azy ireo ve, fa nampidina taminao ny Boky Izahay izay novakiana tamin’izy ireo ? Tena marina fa amin’izany dia misy famindram-pò sy fampahatsiahivana ho an’ny vahoaka izay mino. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 29

قُلۡ كَفَىٰ بِٱللَّهِ بَيۡنِي وَبَيۡنَكُمۡ شَهِيدٗاۖ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۗ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِٱلۡبَٰطِلِ وَكَفَرُواْ بِٱللَّهِ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ

Teneno hoe : “Fa Allah dia ampy ho vavolombelona manelanelana ahy sy ianareo”. Mahafantatra izay ao amin’ireo lanitra sy ety an-tany Izy. Ary ireo izay mino ny diso nefa tsy mino an’i Allah, izy ireny dia ho maty antoka. info
التفاسير: