Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd.

Numéro de la page:close

external-link copy
137 : 26

إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا خُلُقُ ٱلۡأَوَّلِينَ

Tsy inona izany fa fomba fiainan’ireo teo aloha ihany. info
التفاسير:

external-link copy
138 : 26

وَمَا نَحۡنُ بِمُعَذَّبِينَ

Ary tsy ho faizina velively izahay. info
التفاسير:

external-link copy
139 : 26

فَكَذَّبُوهُ فَأَهۡلَكۡنَٰهُمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ

Ka nilaza azy ho mpandainga izy ireo. Ary naringanay izy ireo.Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana tokoa ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino. info
التفاسير:

external-link copy
140 : 26

وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ

Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
141 : 26

كَذَّبَتۡ ثَمُودُ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Nilaza ireo iraka ho mpandainga, ireo Thamody. info
التفاسير:

external-link copy
142 : 26

إِذۡ قَالَ لَهُمۡ أَخُوهُمۡ صَٰلِحٌ أَلَا تَتَّقُونَ

Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Soalihy hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?” info
التفاسير:

external-link copy
143 : 26

إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ

Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo ! info
التفاسير:

external-link copy
144 : 26

فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ

Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy. info
التفاسير:

external-link copy
145 : 26

وَمَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao. info
التفاسير:

external-link copy
146 : 26

أَتُتۡرَكُونَ فِي مَا هَٰهُنَآ ءَامِنِينَ

Moa ve avela am-pilaminana amin’izao toe-javatra misy anareo izao ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
147 : 26

فِي جَنَّٰتٖ وَعُيُونٖ

Ao amin’ireo zaridaina sy loharano. info
التفاسير:

external-link copy
148 : 26

وَزُرُوعٖ وَنَخۡلٖ طَلۡعُهَا هَضِيمٞ

Ary ireo voly sy ireo hazo palma izay mora levonina ny voankazony”. info
التفاسير:

external-link copy
149 : 26

وَتَنۡحِتُونَ مِنَ ٱلۡجِبَالِ بُيُوتٗا فَٰرِهِينَ

Ary lavahanareo amin-pahakingana ireo tendrombohitra ho trano. info
التفاسير:

external-link copy
150 : 26

فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ

Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy. info
التفاسير:

external-link copy
151 : 26

وَلَا تُطِيعُوٓاْ أَمۡرَ ٱلۡمُسۡرِفِينَ

Ary aza mankato ny baikon’ireo mpanao ny tafahoatra ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
152 : 26

ٱلَّذِينَ يُفۡسِدُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا يُصۡلِحُونَ

Ireo izay manao ny asa fanimbana eto an-tany, dia tsy manao mihitsy ny asa fanamboarana. info
التفاسير:

external-link copy
153 : 26

قَالُوٓاْ إِنَّمَآ أَنتَ مِنَ ٱلۡمُسَحَّرِينَ

Niteny izy ireo hoe : “Ianao dia tena anisan’ireo olona voan’ny mosavy". info
التفاسير:

external-link copy
154 : 26

مَآ أَنتَ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُنَا فَأۡتِ بِـَٔايَةٍ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ

Tsy iza akory ianao afa-tsy olombelona tahaka anay ihany. ka ento aty aminay àry ny fahagagana, raha anisan’ireo mpilaza ny marina ianao. info
التفاسير:

external-link copy
155 : 26

قَالَ هَٰذِهِۦ نَاقَةٞ لَّهَا شِرۡبٞ وَلَكُمۡ شِرۡبُ يَوۡمٖ مَّعۡلُومٖ

Niteny izy hoe : “Indro ny rameva vavy, ho azy ny anjara fisotroana amin’ny andro voatondro, ary ho anareo koa ny anjara fisotroana amin’ny andro hafa voatondro". info
التفاسير:

external-link copy
156 : 26

وَلَا تَمَسُّوهَا بِسُوٓءٖ فَيَأۡخُذَكُمۡ عَذَابُ يَوۡمٍ عَظِيمٖ

Ary aza manao ratsy aminy na dia kely aza ianareo, raha tsy izany dia hiharan’ny famaizana ianareo amin’ny andro lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
157 : 26

فَعَقَرُوهَا فَأَصۡبَحُواْ نَٰدِمِينَ

Nefa mbola novonoin’izy ireo ihany izy (ny rameva vavy), noho izany dia nanenina izy ireo ! info
التفاسير:

external-link copy
158 : 26

فَأَخَذَهُمُ ٱلۡعَذَابُۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ

Koa niharan’ny famaizana izy ireo. Marina fa misy famantarana ny ao anatin’izany. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino. info
التفاسير:

external-link copy
159 : 26

وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ

Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo. info
التفاسير: