Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama

An-naba'

external-link copy
1 : 78

عَمَّ يَتَسَآءَلُونَ

Ny amin'inona moa no ifanontanian'izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
2 : 78

عَنِ ٱلنَّبَإِ ٱلۡعَظِيمِ

Ny amin'ilay vaovao lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 78

ٱلَّذِي هُمۡ فِيهِ مُخۡتَلِفُونَ

Izay tsy mampifanaraka azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 78

كَلَّا سَيَعۡلَمُونَ

Tsia! Mbola ho fantatr'izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 78

ثُمَّ كَلَّا سَيَعۡلَمُونَ

Tsia! Mbola ho fantatr'izy ireo marimarina tokoa. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 78

أَلَمۡ نَجۡعَلِ ٱلۡأَرۡضَ مِهَٰدٗا

Moa ve tsy nataoko ho toeram-pialan-tsasatra ny tany? info
التفاسير:

external-link copy
7 : 78

وَٱلۡجِبَالَ أَوۡتَادٗا

Ary ireo tendrombohitra ho toy ny andry iankinany? info
التفاسير:

external-link copy
8 : 78

وَخَلَقۡنَٰكُمۡ أَزۡوَٰجٗا

Ary nohariako ho lahy sy vavy ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 78

وَجَعَلۡنَا نَوۡمَكُمۡ سُبَاتٗا

Ary nataoko ho fialan-tsasatra ho anareo ny torimasonareo. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 78

وَجَعَلۡنَا ٱلَّيۡلَ لِبَاسٗا

Ary nataoko ho toy ny firakotra ho anareo ny aizin'ny alina. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 78

وَجَعَلۡنَا ٱلنَّهَارَ مَعَاشٗا

Ary nataoko ho fitadiavam-pivelomana ho anareo ny atoandro. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 78

وَبَنَيۡنَا فَوۡقَكُمۡ سَبۡعٗا شِدَادٗا

Ary naoriko eo amboninareo ireo lanitra fito sosona mafy orina. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 78

وَجَعَلۡنَا سِرَاجٗا وَهَّاجٗا

Ary nasiako jiro manazava izay mafana sy mahery vaika. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 78

وَأَنزَلۡنَا مِنَ ٱلۡمُعۡصِرَٰتِ مَآءٗ ثَجَّاجٗا

Ary narotsako avy amin'ny rahona matevina ny rano sesehana. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 78

لِّنُخۡرِجَ بِهِۦ حَبّٗا وَنَبَاتٗا

Mba hampitsiriako amin'ny alalan'izany ireo voa mahavelona sy zava-maniry isan-karazany. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 78

وَجَنَّٰتٍ أَلۡفَافًا

Sy ireo saha mahate ho tia. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 78

إِنَّ يَوۡمَ ٱلۡفَصۡلِ كَانَ مِيقَٰتٗا

Eny! Efa voafaritra ny andron'ny fitsarana. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 78

يَوۡمَ يُنفَخُ فِي ٱلصُّورِ فَتَأۡتُونَ أَفۡوَاجٗا

Ilay andro hitsofana ny anjomara ka hahatongavanareo amin'ny andiany maro. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 78

وَفُتِحَتِ ٱلسَّمَآءُ فَكَانَتۡ أَبۡوَٰبٗا

Ary ho sokafana ny lanitra ka hisian'ireo varavarana maro. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 78

وَسُيِّرَتِ ٱلۡجِبَالُ فَكَانَتۡ سَرَابًا

Ary hihetsika ireo tendrombohitra ka lasa hanana endrika mamitaka ny maso. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 78

إِنَّ جَهَنَّمَ كَانَتۡ مِرۡصَادٗا

ny helo dia miambina fatratra, info
التفاسير:

external-link copy
22 : 78

لِّلطَّٰغِينَ مَـَٔابٗا

mba honenan'ireo mpikomy, info
التفاسير:

external-link copy
23 : 78

لَّٰبِثِينَ فِيهَآ أَحۡقَابٗا

ka hitoetra ao izy ireo an-jato taonany maro mifanesy, info
التفاسير:

external-link copy
24 : 78

لَّا يَذُوقُونَ فِيهَا بَرۡدٗا وَلَا شَرَابًا

dia tsy hahatsapa hatsiaka na hanendry zava-pisotro mihitsy, info
التفاسير:

external-link copy
25 : 78

إِلَّا حَمِيمٗا وَغَسَّاقٗا

afa tsy ny rano mangotraka sy ireo tsiranoka maimbo, info
التفاسير:

external-link copy
26 : 78

جَزَآءٗ وِفَاقًا

izany no valin'asa tsy ara-drariny info
التفاسير:

external-link copy
27 : 78

إِنَّهُمۡ كَانُواْ لَا يَرۡجُونَ حِسَابٗا

Tsy mba nieritreritra ny fitsarana farany izy ireo, info
التفاسير:

external-link copy
28 : 78

وَكَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا كِذَّابٗا

nataon'izy ireo ho lainga mandrakariva ny faminaniana nalefako, info
التفاسير:

external-link copy
29 : 78

وَكُلَّ شَيۡءٍ أَحۡصَيۡنَٰهُ كِتَٰبٗا

Ny zava-drehetra anefa dia efa noraiketiko an-tsoratra avokoa, info
التفاسير:

external-link copy
30 : 78

فَذُوقُواْ فَلَن نَّزِيدَكُمۡ إِلَّا عَذَابًا

koa dia andramo ary! Tsy hanampy anareo na oviana na oviana Aho afa-tsy ny sazy, info
التفاسير:

external-link copy
31 : 78

إِنَّ لِلۡمُتَّقِينَ مَفَازًا

Ireo matahotra an'iAllah kosa dia hahazo ny fahombiazana, info
التفاسير:

external-link copy
32 : 78

حَدَآئِقَ وَأَعۡنَٰبٗا

ao ireo saha maintso mavana sy karazam-boaloboka, info
التفاسير:

external-link copy
33 : 78

وَكَوَاعِبَ أَتۡرَابٗا

ireo tovovavy ao anatin'ny hatanorana lalandava , info
التفاسير:

external-link copy
34 : 78

وَكَأۡسٗا دِهَاقٗا

ireo zava-pisotroana mitosaka nohon'ny hafenoany, info
التفاسير:

external-link copy
35 : 78

لَّا يَسۡمَعُونَ فِيهَا لَغۡوٗا وَلَا كِذَّٰبٗا

Tsy handre teny ratsy sy lainga ao izy ireo, info
التفاسير:

external-link copy
36 : 78

جَزَآءٗ مِّن رَّبِّكَ عَطَآءً حِسَابٗا

Izany dia valisoa avy amin'ny tomponao, fanomezana tena ara-drariny, info
التفاسير:

external-link copy
37 : 78

رَّبِّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا ٱلرَّحۡمَٰنِۖ لَا يَمۡلِكُونَ مِنۡهُ خِطَابٗا

Ilay Tompon'ny lanitra sy ny tany; ary izay rehetra eo anelanelan'izy roa ireo, ary tsy hanam-pahefana hilao-bava ho Azy izy ireo, info
التفاسير:

external-link copy
38 : 78

يَوۡمَ يَقُومُ ٱلرُّوحُ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ صَفّٗاۖ لَّا يَتَكَلَّمُونَ إِلَّا مَنۡ أَذِنَ لَهُ ٱلرَّحۡمَٰنُ وَقَالَ صَوَابٗا

Amin'ny andro izay hijoroan'ny fanahy sy ireo anjely amin'ny laharana iray, ka tsy hisy hilao-bava afa-tsy izay nomen'ilay be fiantrana alalana ny amin'izany, dia ilay niteny ny mahatokana an'I Allah, info
التفاسير:

external-link copy
39 : 78

ذَٰلِكَ ٱلۡيَوۡمُ ٱلۡحَقُّۖ فَمَن شَآءَ ٱتَّخَذَ إِلَىٰ رَبِّهِۦ مَـَٔابًا

Izany andro izany no hisehoan'ny fahamarinana, koa izay mila dia mitadiava fialofana any amin'ny Tompo, info
التفاسير:

external-link copy
40 : 78

إِنَّآ أَنذَرۡنَٰكُمۡ عَذَابٗا قَرِيبٗا يَوۡمَ يَنظُرُ ٱلۡمَرۡءُ مَا قَدَّمَتۡ يَدَاهُ وَيَقُولُ ٱلۡكَافِرُ يَٰلَيۡتَنِي كُنتُ تُرَٰبَۢا

Eny! Efa nampitandrina anareo Aho ny amin'ny famaizana tsy ho ela, dia ilay andro izay ahitan'ny olombelona ireo asa nataony, ka hitenenan'ny tsy mpino hoe: " Tahak'izay anie aho mba nody ho vovoka ihany! " info
التفاسير: