Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama

Al-ma'àrij

external-link copy
1 : 70

سَأَلَ سَآئِلُۢ بِعَذَابٖ وَاقِعٖ

Nisy mpanontany iray nanontany ny famaizana hihatra. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 70

لِّلۡكَٰفِرِينَ لَيۡسَ لَهُۥ دَافِعٞ

Amin’ireo tsy mpino, izay tsy azon’iza na iza ho toherina. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 70

مِّنَ ٱللَّهِ ذِي ٱلۡمَعَارِجِ

Avy amin’I Allah, ilay Tompon’ny lalan’ny fiakarana. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 70

تَعۡرُجُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَٱلرُّوحُ إِلَيۡهِ فِي يَوۡمٖ كَانَ مِقۡدَارُهُۥ خَمۡسِينَ أَلۡفَ سَنَةٖ

Miakatra any Aminy ireo Anjely sy ilay Fanahy, amin’ny andro iray izay mitovy faharetana amin’ny dimy alina taona. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 70

فَٱصۡبِرۡ صَبۡرٗا جَمِيلًا

Koa manàna faharetana tsara. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 70

إِنَّهُمۡ يَرَوۡنَهُۥ بَعِيدٗا

Lavitra no fahitan’izy ireo izany. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 70

وَنَرَىٰهُ قَرِيبٗا

Ary kanefa tena akaiky ny fahitanay azy. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 70

يَوۡمَ تَكُونُ ٱلسَّمَآءُ كَٱلۡمُهۡلِ

Andro izay hahatonga ny lanitra ho toy ny vy miempo. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 70

وَتَكُونُ ٱلۡجِبَالُ كَٱلۡعِهۡنِ

Ary ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 70

وَلَا يَسۡـَٔلُ حَمِيمٌ حَمِيمٗا

Ary tsy hanontanian’ny namana mahatoky ny namany intsony. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 70

يُبَصَّرُونَهُمۡۚ يَوَدُّ ٱلۡمُجۡرِمُ لَوۡ يَفۡتَدِي مِنۡ عَذَابِ يَوۡمِئِذِۭ بِبَنِيهِ

Na dia mifankahita aza izy ireo. Amin’io andro io dia te-hanakalo ny famaizana azy ireo amin’ny fanomezana ireo zanany ny mpanao ratsy. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 70

وَصَٰحِبَتِهِۦ وَأَخِيهِ

Ary ny vadiny, sy ny rahalahiny. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 70

وَفَصِيلَتِهِ ٱلَّتِي تُـٔۡوِيهِ

Eny, fa na dia ireo mpiara-monina taminy nampiantrano azy aza. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 70

وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗا ثُمَّ يُنجِيهِ

Sy izay rehetra eto an-tany izay afaka hanavotra azy. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 70

كَلَّآۖ إِنَّهَا لَظَىٰ

Saingy tsy hisy izany fa afo mamaivay. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 70

نَزَّاعَةٗ لِّلشَّوَىٰ

No hanala an-keriny ny hodi-doha. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 70

تَدۡعُواْ مَنۡ أَدۡبَرَ وَتَوَلَّىٰ

Antsoiny izay nanome lamosina sy nihataka. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 70

وَجَمَعَ فَأَوۡعَىٰٓ

Ary nanangona sy nitahiry. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 70

۞ إِنَّ ٱلۡإِنسَٰنَ خُلِقَ هَلُوعًا

Eny ! Nohariana tsy hahatombina ny olombelona. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 70

إِذَا مَسَّهُ ٱلشَّرُّ جَزُوعٗا

Kivy izy rehefa niharan’ny loza. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 70

وَإِذَا مَسَّهُ ٱلۡخَيۡرُ مَنُوعًا

Ary rehefa nahazo fahasoavana kosa dia fatra-pandà. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 70

إِلَّا ٱلۡمُصَلِّينَ

Afa-tsy ireo manatanteraka ny vavaka fanompoana. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 70

ٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَاتِهِمۡ دَآئِمُونَ

Izay mandala mandrakariva izany (vavaka fanompoana). info
التفاسير:

external-link copy
24 : 70

وَٱلَّذِينَ فِيٓ أَمۡوَٰلِهِمۡ حَقّٞ مَّعۡلُومٞ

Ary manana adidy voafaritra tsara amin’ny fananany. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 70

لِّلسَّآئِلِ وَٱلۡمَحۡرُومِ

Ho an’ny mpangataka sy ny tsy manana. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 70

وَٱلَّذِينَ يُصَدِّقُونَ بِيَوۡمِ ٱلدِّينِ

Ary mino tanteraka ny andro famaliana. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 70

وَٱلَّذِينَ هُم مِّنۡ عَذَابِ رَبِّهِم مُّشۡفِقُونَ

Sy izay matahotra fatratra ny famaizan’ny Tompon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 70

إِنَّ عَذَابَ رَبِّهِمۡ غَيۡرُ مَأۡمُونٖ

Marina tokoa fa tsy misy manana fahatoniana manoloana ny famaizan'ny Tompony. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 70

وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِفُرُوجِهِمۡ حَٰفِظُونَ

Ary ireo izay mitandrina amin'ny fahadiovam-pitondran-tenany. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 70

إِلَّا عَلَىٰٓ أَزۡوَٰجِهِمۡ أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ فَإِنَّهُمۡ غَيۡرُ مَلُومِينَ

ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 70

فَمَنِ ٱبۡتَغَىٰ وَرَآءَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡعَادُونَ

Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 70

وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِأَمَٰنَٰتِهِمۡ وَعَهۡدِهِمۡ رَٰعُونَ

Ary izay mitandrina ny fananana nankinina taminy sy manaja tanteraka ny fifanekena . info
التفاسير:

external-link copy
33 : 70

وَٱلَّذِينَ هُم بِشَهَٰدَٰتِهِمۡ قَآئِمُونَ

Ary mijoro ho vavolombelona amin'ny fahamarinana. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 70

وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَاتِهِمۡ يُحَافِظُونَ

Sy izay mandala ny vavaka fanompoana ataony. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 70

أُوْلَٰٓئِكَ فِي جَنَّٰتٖ مُّكۡرَمُونَ

Dia izy ireo no homem-boninahitra ao amin'ireo zaridaina. info
التفاسير:

external-link copy
36 : 70

فَمَالِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ قِبَلَكَ مُهۡطِعِينَ

Inona ary no mahazo ireo tsy mpino no mihazakazaka manantona anao, manalava tenda ? info
التفاسير:

external-link copy
37 : 70

عَنِ ٱلۡيَمِينِ وَعَنِ ٱلشِّمَالِ عِزِينَ

Tonga ny andiany avy an-kavanana sy an-kavia . info
التفاسير:

external-link copy
38 : 70

أَيَطۡمَعُ كُلُّ ٱمۡرِيٕٖ مِّنۡهُمۡ أَن يُدۡخَلَ جَنَّةَ نَعِيمٖ

Moa samy mitsiriritra ny ho ampidirina ao amin'ny zaridainan'ny fahasambarana va izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
39 : 70

كَلَّآۖ إِنَّا خَلَقۡنَٰهُم مِّمَّا يَعۡلَمُونَ

Tsia ! Noharianay avy tamin'izay efa fantany izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 70

فَلَآ أُقۡسِمُ بِرَبِّ ٱلۡمَشَٰرِقِ وَٱلۡمَغَٰرِبِ إِنَّا لَقَٰدِرُونَ

Tsia !Mianiana amin'ny Tompon'ireo fiposahana sy ny filentehana Aho, fa Izahay dia manana fahefana. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 70

عَلَىٰٓ أَن نُّبَدِّلَ خَيۡرٗا مِّنۡهُمۡ وَمَا نَحۡنُ بِمَسۡبُوقِينَ

Hanolo azy ireo amin'ny tsaratsara kokoa, ary tsy misy afaka hisakana anay amin'izany. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 70

فَذَرۡهُمۡ يَخُوضُواْ وَيَلۡعَبُواْ حَتَّىٰ يُلَٰقُواْ يَوۡمَهُمُ ٱلَّذِي يُوعَدُونَ

Avelao ary izy ireo ho tafalatsaka lalina amin'ny tsy finoany sy ho variana mandra-pifanenany amin'ilay andro nampitandremana azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
43 : 70

يَوۡمَ يَخۡرُجُونَ مِنَ ٱلۡأَجۡدَاثِ سِرَاعٗا كَأَنَّهُمۡ إِلَىٰ نُصُبٖ يُوفِضُونَ

Andro izay hivoahan'izy ireo haingana ao am-pasana tahaky ny hihazakazaka ho eny amin'ny vatolahy. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 70

خَٰشِعَةً أَبۡصَٰرُهُمۡ تَرۡهَقُهُمۡ ذِلَّةٞۚ ذَٰلِكَ ٱلۡيَوۡمُ ٱلَّذِي كَانُواْ يُوعَدُونَ

Ka hiondrika ny mason'izy ireo, hanarona azy ny fahafaham-baraka. Izany ilay andro nampitandremana azy ireo ! info
التفاسير: