Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center

Al-insan

external-link copy
1 : 76

هَلۡ أَتَىٰ عَلَى ٱلۡإِنسَٰنِ حِينٞ مِّنَ ٱلدَّهۡرِ لَمۡ يَكُن شَيۡـٔٗا مَّذۡكُورًا

Moa va tsy nisy ampaham-potoana, nandalo tamin'ny olombelona izay mbola tsy nisian'izy ireo akory ? info
التفاسير:

external-link copy
2 : 76

إِنَّا خَلَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ مِن نُّطۡفَةٍ أَمۡشَاجٖ نَّبۡتَلِيهِ فَجَعَلۡنَٰهُ سَمِيعَۢا بَصِيرًا

Eny, namboarinay avy tamin'ny tsirin'aina mifangaro ny olombelona, mba hisedranay azy. Ary dia nataonay nandre sy nahita. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 76

إِنَّا هَدَيۡنَٰهُ ٱلسَّبِيلَ إِمَّا شَاكِرٗا وَإِمَّا كَفُورًا

Notarinay lalana izy, hahalala hankasitraka na haniratsira. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 76

إِنَّآ أَعۡتَدۡنَا لِلۡكَٰفِرِينَ سَلَٰسِلَاْ وَأَغۡلَٰلٗا وَسَعِيرًا

"Nanomana rojo vy ho an'ireo tsy mpino tokoa Izahay, sy gadra vy, ary afo mamaivay." info
التفاسير:

external-link copy
5 : 76

إِنَّ ٱلۡأَبۡرَارَ يَشۡرَبُونَ مِن كَأۡسٖ كَانَ مِزَاجُهَا كَافُورًا

Hisotro amin'ny kaopy feno hanitra kamifaoro ireo olona tsara. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 76

عَيۡنٗا يَشۡرَبُ بِهَا عِبَادُ ٱللَّهِ يُفَجِّرُونَهَا تَفۡجِيرٗا

Avy amin'ny loharano no hisotroan'ireo mpanompon'I Allah, hiboiboika maro ao izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 76

يُوفُونَ بِٱلنَّذۡرِ وَيَخَافُونَ يَوۡمٗا كَانَ شَرُّهُۥ مُسۡتَطِيرٗا

tanterahian'izy ireo ny voadiny, ary atahorany ny andro hiparitahan'ny ratsy. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 76

وَيُطۡعِمُونَ ٱلطَّعَامَ عَلَىٰ حُبِّهِۦ مِسۡكِينٗا وَيَتِيمٗا وَأَسِيرًا

Ary manome sakafo ho an'ny mahantra izy ireo, ny kamboty, sy ny voababo na dia eo aza ny fitiavany izany. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 76

إِنَّمَا نُطۡعِمُكُمۡ لِوَجۡهِ ٱللَّهِ لَا نُرِيدُ مِنكُمۡ جَزَآءٗ وَلَا شُكُورًا

ka miteny hoe : "Nohon'ny voninahitr'i Allah no anomezanay sakafo anareo, tsy mitady valisoa na fisaorana avy aminareo izahay. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 76

إِنَّا نَخَافُ مِن رَّبِّنَا يَوۡمًا عَبُوسٗا قَمۡطَرِيرٗا

Matahotra ilay andro mampihorohoro sy feno loza avy amin'ny Tomponay izahay. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 76

فَوَقَىٰهُمُ ٱللَّهُ شَرَّ ذَٰلِكَ ٱلۡيَوۡمِ وَلَقَّىٰهُمۡ نَضۡرَةٗ وَسُرُورٗا

Koa harovan'I Allah amin'ny ratsy izy ireo amin'io andro io, ary hampifanojoany amin'ny hatsarana sy hafaliana, info
التفاسير:

external-link copy
12 : 76

وَجَزَىٰهُم بِمَا صَبَرُواْ جَنَّةٗ وَحَرِيرٗا

ka hamaliany izay niaretan'izy ireo, amin'ny fanomezana ny paradisa sy ny akanjo lasoà, info
التفاسير:

external-link copy
13 : 76

مُّتَّكِـِٔينَ فِيهَا عَلَى ٱلۡأَرَآئِكِۖ لَا يَرَوۡنَ فِيهَا شَمۡسٗا وَلَا زَمۡهَرِيرٗا

Hitehin-kiho eo amin'ny seza lava izy ireo, tsy hahita (ny hamain'ny) masoandro, na hatsiaka mamirifiry. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 76

وَدَانِيَةً عَلَيۡهِمۡ ظِلَٰلُهَا وَذُلِّلَتۡ قُطُوفُهَا تَذۡلِيلٗا

Ary hanarona azy ireo ny haloky ny hazon'ny paradisa, ary hiondrika ambany ireo voankazony. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 76

وَيُطَافُ عَلَيۡهِم بِـَٔانِيَةٖ مِّن فِضَّةٖ وَأَكۡوَابٖ كَانَتۡ قَوَارِيرَا۠

Ary ampadalovina eo amin'izy ireo ny siny volafotsy sy ireo kapoaka mangirana. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 76

قَوَارِيرَاْ مِن فِضَّةٖ قَدَّرُوهَا تَقۡدِيرٗا

Amin'ny volafotsy mangirana, izay voafatra tsara ny fisotro ao anatiny. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 76

وَيُسۡقَوۡنَ فِيهَا كَأۡسٗا كَانَ مِزَاجُهَا زَنجَبِيلًا

Ary hampisotroina rano amin'ny kaopy izay misy sakamalao izy ireo ao. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 76

عَيۡنٗا فِيهَا تُسَمَّىٰ سَلۡسَبِيلٗا

Notovozina tao amin'ny loharano antsoina hoe Salsabil. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 76

۞ وَيَطُوفُ عَلَيۡهِمۡ وِلۡدَٰنٞ مُّخَلَّدُونَ إِذَا رَأَيۡتَهُمۡ حَسِبۡتَهُمۡ لُؤۡلُؤٗا مَّنثُورٗا

Ary hisy tovolahy lalandava, hivezivezy eo amin'izy ireo. Raha mahita azy ireo ianao, dia heverinao ho toy ny vatosoa miparitaka izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 76

وَإِذَا رَأَيۡتَ ثَمَّ رَأَيۡتَ نَعِيمٗا وَمُلۡكٗا كَبِيرًا

Ary rehefa mijery any ianao, dia hahita fahafinaretana sy fanjakana midadasika. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 76

عَٰلِيَهُمۡ ثِيَابُ سُندُسٍ خُضۡرٞ وَإِسۡتَبۡرَقٞۖ وَحُلُّوٓاْ أَسَاوِرَ مِن فِضَّةٖ وَسَقَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡ شَرَابٗا طَهُورًا

Hanao akanjo maintso parasily, sy lamba lasoà rakofam-bolamena izy ireo, hiravaka haba fehin-tanana volafotsy. Ary hampisotroin'ny Tompony zava-pisotro tena madio izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 76

إِنَّ هَٰذَا كَانَ لَكُمۡ جَزَآءٗ وَكَانَ سَعۡيُكُم مَّشۡكُورًا

Valisoa ho anareo izany, ary mendri-pankasitrahana ny ezaka nataonareo. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 76

إِنَّا نَحۡنُ نَزَّلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡقُرۡءَانَ تَنزِيلٗا

Hamafisina, fa Izahay no nampidina tsikelikely ny koroany teo aminao. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 76

فَٱصۡبِرۡ لِحُكۡمِ رَبِّكَ وَلَا تُطِعۡ مِنۡهُمۡ ءَاثِمًا أَوۡ كَفُورٗا

Koa hiareto àry ny didy napetraky ny Tomponao, fa aza mankato ny mpanota, na ny tsy mpino amin'izy ireo ianao. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 76

وَٱذۡكُرِ ٱسۡمَ رَبِّكَ بُكۡرَةٗ وَأَصِيلٗا

Ary tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ny maraina sy ny folak'andro. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 76

وَمِنَ ٱلَّيۡلِ فَٱسۡجُدۡ لَهُۥ وَسَبِّحۡهُ لَيۡلٗا طَوِيلًا

Koa miankohofa eo anatrehany ianao ny ampahany amin'ny alina, ary omeo voninahitra Izy mandritra ny fotoana maharitra amin'ny alina. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 76

إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ يُحِبُّونَ ٱلۡعَاجِلَةَ وَيَذَرُونَ وَرَآءَهُمۡ يَوۡمٗا ثَقِيلٗا

Tia ny fiainana mandalo izy ireny ka mamela any aoriany ny andro mavesatra. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 76

نَّحۡنُ خَلَقۡنَٰهُمۡ وَشَدَدۡنَآ أَسۡرَهُمۡۖ وَإِذَا شِئۡنَا بَدَّلۡنَآ أَمۡثَٰلَهُمۡ تَبۡدِيلًا

Izahay no nahary sy nampatanjaka ny toe-batan'izy ireny. Raha tianay anefa dia nosoloanay mitovy aminy izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 76

إِنَّ هَٰذِهِۦ تَذۡكِرَةٞۖ فَمَن شَآءَ ٱتَّخَذَ إِلَىٰ رَبِّهِۦ سَبِيلٗا

Fampahatsiarovana ity. Koa aoka àry ho any amin'ny làlan'ny Tompony izay tia izany. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 76

وَمَا تَشَآءُونَ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلِيمًا حَكِيمٗا

Tsy ho tia izany anefa ianareo, raha tsy sitrak'i Allah. Fa mahalala ny zavatra rehetra, sady be fahendrena i Allah. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 76

يُدۡخِلُ مَن يَشَآءُ فِي رَحۡمَتِهِۦۚ وَٱلظَّٰلِمِينَ أَعَدَّ لَهُمۡ عَذَابًا أَلِيمَۢا

Ampidiriny ao amin'ny famindram-pony izay tiany. Ary dia nanomanany famaizana mamirifiry ireo mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير: