Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center

Page Number:close

external-link copy
75 : 23

۞ وَلَوۡ رَحِمۡنَٰهُمۡ وَكَشَفۡنَا مَا بِهِم مِّن ضُرّٖ لَّلَجُّواْ فِي طُغۡيَٰنِهِمۡ يَعۡمَهُونَ

Raha namindra fo tamin’izy ireo Izahay sy nanala ny ratsy taminy, dia tena mbola nijanona ihany tao anatin’ny fandikan-dalàna izy ireo, sy mandeha anjambany ary misalasala. info
التفاسير:

external-link copy
76 : 23

وَلَقَدۡ أَخَذۡنَٰهُم بِٱلۡعَذَابِ فَمَا ٱسۡتَكَانُواْ لِرَبِّهِمۡ وَمَا يَتَضَرَّعُونَ

Ary efa noraisinay tamin’ny famaizana tokoa izy ireo, nefa mbola tsy nankato ny Tompon’izy ireo ihany, ary tsy mitalaho mihitsy. info
التفاسير:

external-link copy
77 : 23

حَتَّىٰٓ إِذَا فَتَحۡنَا عَلَيۡهِم بَابٗا ذَا عَذَابٖ شَدِيدٍ إِذَا هُمۡ فِيهِ مُبۡلِسُونَ

Mandra-pahatongan’ny andro izay hanokafanay ny varavaran’ny famaizana mafy, dia indro fa tena kivy tanteraka izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
78 : 23

وَهُوَ ٱلَّذِيٓ أَنشَأَ لَكُمُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَٱلۡأَفۡـِٔدَةَۚ قَلِيلٗا مَّا تَشۡكُرُونَ

Ary Izy no Nahary ho anareo ny fandrenesana, ireo fahitana sy ireo fo. Nefa zara raha mankasitraka ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
79 : 23

وَهُوَ ٱلَّذِي ذَرَأَكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَإِلَيۡهِ تُحۡشَرُونَ

Ary Izy no nampiely anareo eny ambonin’ny tany, ary any Aminy no hanangonana anareo. info
التفاسير:

external-link copy
80 : 23

وَهُوَ ٱلَّذِي يُحۡيِۦ وَيُمِيتُ وَلَهُ ٱخۡتِلَٰفُ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ

Ary Izy no manome ny aina sy manome ny fahafatesana; ary miankina Aminy ny fifandimbiasan’ny alina sy ny atoandro. Moa ve tsy mba misaina ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
81 : 23

بَلۡ قَالُواْ مِثۡلَ مَا قَالَ ٱلۡأَوَّلُونَ

Nefa dia niteny mitovy amin’izany no notenenin’ireo olona talohan’ izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
82 : 23

قَالُوٓاْ أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ

Niteny izy ireo hoe : “Raha maty izahay, ka lasa vovoka sy taolana. Moa hatsangana amin’ny maty tokoa ve izahay ?” info
التفاسير:

external-link copy
83 : 23

لَقَدۡ وُعِدۡنَا نَحۡنُ وَءَابَآؤُنَا هَٰذَا مِن قَبۡلُ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّآ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ

Efa nampanantenana izany izahay, sy ireo razam-benay teo aloha ihany koa, dia tsy inona akory izany afa-tsy anganon’ireo Ntaolo fahiny”. info
التفاسير:

external-link copy
84 : 23

قُل لِّمَنِ ٱلۡأَرۡضُ وَمَن فِيهَآ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ

Teneno hoe : “An’iza ny tany sy izay rehetra ao aminy, raha toa ka mahalala ianareo ?” info
التفاسير:

external-link copy
85 : 23

سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ

Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy tsaroanareo ve izany ?” info
التفاسير:

external-link copy
86 : 23

قُلۡ مَن رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ ٱلسَّبۡعِ وَرَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡعَظِيمِ

Ka teneno hoe : “Iza no Tompon’ireo lanitra fito, ary iza no Tompon’ny Seza fiandrianana lehibe ?” info
التفاسير:

external-link copy
87 : 23

سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ أَفَلَا تَتَّقُونَ

Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy matahotra ve ianareo ?” info
التفاسير:

external-link copy
88 : 23

قُلۡ مَنۢ بِيَدِهِۦ مَلَكُوتُ كُلِّ شَيۡءٖ وَهُوَ يُجِيرُ وَلَا يُجَارُ عَلَيۡهِ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ

Teneno hoe : “Eo am-pelatanan’iza ny fanjakana fara-tampon’ny zava-drehetra, ary iza no miaro sy tsy mila fiarovana, raha fantatrareo (izany) ? info
التفاسير:

external-link copy
89 : 23

سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ فَأَنَّىٰ تُسۡحَرُونَ

Hiteny izy ireo hoe : “Ho an’I Allah” Teneno hoe : “Ahoana àry ianareo no mbola hanjakan’ny mosavy, (ka nahatonga anareo tsy hino Azy) ?” info
التفاسير: