Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center

Page Number:close

external-link copy
36 : 21

وَإِذَا رَءَاكَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِن يَتَّخِذُونَكَ إِلَّا هُزُوًا أَهَٰذَا ٱلَّذِي يَذۡكُرُ ءَالِهَتَكُمۡ وَهُم بِذِكۡرِ ٱلرَّحۡمَٰنِ هُمۡ كَٰفِرُونَ

Raha mahita anao ireo izay tsy nino (ry Mohammad), dia tsy hanao afa-tsy ny fanesohesoana anao (sady hiteny) hoe : “Moa ve ity ilay maniratsira ireo zanaharinareo ?” Nefa izy ireo dia mandà ny fampahatsiahivan’Ilay Be Indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
37 : 21

خُلِقَ ٱلۡإِنسَٰنُ مِنۡ عَجَلٖۚ سَأُوْرِيكُمۡ ءَايَٰتِي فَلَا تَسۡتَعۡجِلُونِ

Toetra voajanahary ho an’ny olombelona ny fahamaikana. Hasehoko anareo ireo famantarana avy aty Amiko, koa aza terenareo ho faingana Aho. info
التفاسير:

external-link copy
38 : 21

وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡوَعۡدُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ

Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ?” info
التفاسير:

external-link copy
39 : 21

لَوۡ يَعۡلَمُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ حِينَ لَا يَكُفُّونَ عَن وُجُوهِهِمُ ٱلنَّارَ وَلَا عَن ظُهُورِهِمۡ وَلَا هُمۡ يُنصَرُونَ

Raha mba fantatr’ireo tsy mpino ny fotoana izay tsy ahafahan’izy ireo misakana ny afo tsy ho eny amin’ny tarehin’izy ireo, na amin’ny lamosin’izy ireo, ary tsy hisy hanavotra izy ireo ! info
التفاسير:

external-link copy
40 : 21

بَلۡ تَأۡتِيهِم بَغۡتَةٗ فَتَبۡهَتُهُمۡ فَلَا يَسۡتَطِيعُونَ رَدَّهَا وَلَا هُمۡ يُنظَرُونَ

Tsy izany anefa ! Fa ho tonga tampoka amin’izy ireo izany, ary ho gaga izy ireo ; kanefa tsy afaka hanohana izany izy ireo ary tsy misy fe-potoana fanampiny omena azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 21

وَلَقَدِ ٱسۡتُهۡزِئَ بِرُسُلٖ مِّن قَبۡلِكَ فَحَاقَ بِٱلَّذِينَ سَخِرُواْ مِنۡهُم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ

Ary efa nohesohesoina tokoa ireo iraka teo alohanao (ry Mohammady) fa ireo izay nanesoheso azy ireo dia niharan’ny sazy nohon’ny hesoheso izay nataony. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 21

قُلۡ مَن يَكۡلَؤُكُم بِٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ مِنَ ٱلرَّحۡمَٰنِۚ بَلۡ هُمۡ عَن ذِكۡرِ رَبِّهِم مُّعۡرِضُونَ

Teneno hoe : “Iza no miaro anareo andro aman’alina amin’Ilay be Indrafo ?” Nefa izy ireo dia mandà ny fampahatsiahivana nataon’ny Tompon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
43 : 21

أَمۡ لَهُمۡ ءَالِهَةٞ تَمۡنَعُهُم مِّن دُونِنَاۚ لَا يَسۡتَطِيعُونَ نَصۡرَ أَنفُسِهِمۡ وَلَا هُم مِّنَّا يُصۡحَبُونَ

Moa ve manana zanahary hafa ankoatra Anay afaka manakana izy ireo ? Nefa izy ireo dia tsy afaka mamonjy ny tenany no tsy afaka manontrona azy ireo eo anatrehanay. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 21

بَلۡ مَتَّعۡنَا هَٰٓؤُلَآءِ وَءَابَآءَهُمۡ حَتَّىٰ طَالَ عَلَيۡهِمُ ٱلۡعُمُرُۗ أَفَلَا يَرَوۡنَ أَنَّا نَأۡتِي ٱلۡأَرۡضَ نَنقُصُهَا مِنۡ أَطۡرَافِهَآۚ أَفَهُمُ ٱلۡغَٰلِبُونَ

Tsy izany anefa fa nomenay fahafinaretana izy ireo sy ireo razambeny nandritra ny andro lava niainan’izy ireo. Moa tsy hitan’izy ireo fa ho avy eny amin’ny tany Izahay ka ho kikisanay izany avy amin’ny sisiny rehetra ! Ho mpandresy va izy ireo ? info
التفاسير: