Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center

Page Number:close

external-link copy
39 : 19

وَأَنذِرۡهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡحَسۡرَةِ إِذۡ قُضِيَ ٱلۡأَمۡرُ وَهُمۡ فِي غَفۡلَةٖ وَهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ

Ary ampitandremo azy ireo ny Andron’ny Fanenenana, rehefa tapaka ny didy; nefa izy ireo dia mbola variana ihany (eto an-tany) no sady tsy mino. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 19

إِنَّا نَحۡنُ نَرِثُ ٱلۡأَرۡضَ وَمَنۡ عَلَيۡهَا وَإِلَيۡنَا يُرۡجَعُونَ

Tena marina fa Izahay tokoa no handova ny tany sy izay rehetra ao aminy, ary any Aminay no hamerenana azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 19

وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ إِبۡرَٰهِيمَۚ إِنَّهُۥ كَانَ صِدِّيقٗا نَّبِيًّا

Ary tsiahivo Ibrahimo (A.s), ao anatin’ny Boky (Koroany), fa Olona tena marina sady Mpaminany Izy. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 19

إِذۡ قَالَ لِأَبِيهِ يَٰٓأَبَتِ لِمَ تَعۡبُدُ مَا لَا يَسۡمَعُ وَلَا يُبۡصِرُ وَلَا يُغۡنِي عَنكَ شَيۡـٔٗا

Koa rehefa niteny tamin’ny Rainy izy ka nanao hoe : “ Ô ry dada ! Nahoana ianao no manompo izay sady tsy maheno no tsy mahita, ary tsy hitera-bokatsoa aminao na amin’inona na amin’inona io? ” info
التفاسير:

external-link copy
43 : 19

يَٰٓأَبَتِ إِنِّي قَدۡ جَآءَنِي مِنَ ٱلۡعِلۡمِ مَا لَمۡ يَأۡتِكَ فَٱتَّبِعۡنِيٓ أَهۡدِكَ صِرَٰطٗا سَوِيّٗا

Ô ry dada ! Marina fa tonga Tamiko ny fahalalana izay tsy nanananao; koa araho Aho,fa hotarihiko amin’ny làla-mahitsy Ianao. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 19

يَٰٓأَبَتِ لَا تَعۡبُدِ ٱلشَّيۡطَٰنَۖ إِنَّ ٱلشَّيۡطَٰنَ كَانَ لِلرَّحۡمَٰنِ عَصِيّٗا

Ô ry Dada ! Aza manompo ny Satana ianao. Marina fa ny Satana dia tsy nankatò ilay be Fiantrana. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 19

يَٰٓأَبَتِ إِنِّيٓ أَخَافُ أَن يَمَسَّكَ عَذَابٞ مِّنَ ٱلرَّحۡمَٰنِ فَتَكُونَ لِلشَّيۡطَٰنِ وَلِيّٗا

“ Ô ry Dada ! Tena matahotra Aho, sao ho azon’ny famaizana avy amin’Ilay be Fiantrana Ianao, ka ho lasa naman’ny Satana Ianao ”. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 19

قَالَ أَرَاغِبٌ أَنتَ عَنۡ ءَالِهَتِي يَٰٓإِبۡرَٰهِيمُۖ لَئِن لَّمۡ تَنتَهِ لَأَرۡجُمَنَّكَۖ وَٱهۡجُرۡنِي مَلِيّٗا

Niteny Izy (dadan’i Ibrahimo) ka nanao hoe : Ô ry Ibrahimo (A.s) ! Tsy mankasitraka ireo Zanahariko ve Ianao ? Raha tsy mitsahatra amin’izany Ianao dia hotorahako vato, halaviro Aho mandritra ny fotoana maharitra. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 19

قَالَ سَلَٰمٌ عَلَيۡكَۖ سَأَسۡتَغۡفِرُ لَكَ رَبِّيٓۖ إِنَّهُۥ كَانَ بِي حَفِيّٗا

Niteny izy (Ibrahimo) ka nanao hoe : “ Ho Aminao anie ny fiadanana ! Hangataka famelan-keloka ho Anao Aho amin’ny Tompoko. Nanome Ahy fahasoavana mandrakariva Izy. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 19

وَأَعۡتَزِلُكُمۡ وَمَا تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَأَدۡعُواْ رَبِّي عَسَىٰٓ أَلَّآ أَكُونَ بِدُعَآءِ رَبِّي شَقِيّٗا

Hisintaka anareo aho sy amin’izay italahoanareo ankoatr’i Allah, ary hitalaho amin’ny Tompoko aho, manantena aho fa tsy ho ory amin’ny antso ataoko amin’ny Tompoko. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 19

فَلَمَّا ٱعۡتَزَلَهُمۡ وَمَا يَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَهَبۡنَا لَهُۥٓ إِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَۖ وَكُلّٗا جَعَلۡنَا نَبِيّٗا

Rehefa nisaraka tamin’izy ireo, sy izay nitompoin’izy ireo ankoatran’i Allah Izy, dia nomenay an’i Isaka (A.s) sy i Jakoba (A.s),ary samy nataonay ho Mpaminany izy Roa ireo. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 19

وَوَهَبۡنَا لَهُم مِّن رَّحۡمَتِنَا وَجَعَلۡنَا لَهُمۡ لِسَانَ صِدۡقٍ عَلِيّٗا

Ary nomenay ny indrafonay izy ireo,sady nomenay ny fiteny ambony feno fahamarinana. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 19

وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ مُوسَىٰٓۚ إِنَّهُۥ كَانَ مُخۡلَصٗا وَكَانَ رَسُولٗا نَّبِيّٗا

Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Mosa (A.s) (Mosesy), fa tena Olo-marina tokoa izy, sady Iraka no Mpaminany. info
التفاسير: