Übersetzung der Bedeutungen von dem heiligen Quran - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

Al-qalam

external-link copy
1 : 68

نٓۚ وَٱلۡقَلَمِ وَمَا يَسۡطُرُونَ

Noun; Mianiana amin'ny penina sy izay nosoratan'izy ireo aho ! info
التفاسير:

external-link copy
2 : 68

مَآ أَنتَ بِنِعۡمَةِ رَبِّكَ بِمَجۡنُونٖ

Fa tsy adala akory ianao nohon'ny fahasoavan'i Tomponao. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 68

وَإِنَّ لَكَ لَأَجۡرًا غَيۡرَ مَمۡنُونٖ

Ary hamafisina fa hisy valisoa tsy hitsahatra mihitsy ho anao. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 68

وَإِنَّكَ لَعَلَىٰ خُلُقٍ عَظِيمٖ

Hamafisina fa ianao dia ambony toetra mendrika tokoa. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 68

فَسَتُبۡصِرُ وَيُبۡصِرُونَ

Ho hitanao ary ho hitan'izy ireo ihany koa. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 68

بِأَييِّكُمُ ٱلۡمَفۡتُونُ

Fa iza aminareo no very saina ? info
التفاسير:

external-link copy
7 : 68

إِنَّ رَبَّكَ هُوَ أَعۡلَمُ بِمَن ضَلَّ عَن سَبِيلِهِۦ وَهُوَ أَعۡلَمُ بِٱلۡمُهۡتَدِينَ

Ny Tomponao no tena mahafantatra izay very lalana ary fantany ireo mankany amin'ny lalana mahitsy. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 68

فَلَا تُطِعِ ٱلۡمُكَذِّبِينَ

Koa aoka ianao tsy hankato ireo mpilaza lainga. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 68

وَدُّواْ لَوۡ تُدۡهِنُ فَيُدۡهِنُونَ

Fa tian'izy ireo raha mandefitra amin'izy ireo ianao mba handeferan'izy ireo aminao. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 68

وَلَا تُطِعۡ كُلَّ حَلَّافٖ مَّهِينٍ

Koa aza mankato ireo fatra mpanozona, mendrika ho tevahina. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 68

هَمَّازٖ مَّشَّآءِۭ بِنَمِيمٖ

Mpanala baraka, mpanendrikendrika. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 68

مَّنَّاعٖ لِّلۡخَيۡرِ مُعۡتَدٍ أَثِيمٍ

Mpanakana ny tsara , mpandika lalàna , mpanota. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 68

عُتُلِّۭ بَعۡدَ ذَٰلِكَ زَنِيمٍ

Mafy fo, ary ankoatr'izany dia tsy manan-dray. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 68

أَن كَانَ ذَا مَالٖ وَبَنِينَ

Na dia manana harena sy zaza maro aza izy. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 68

إِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِ ءَايَٰتُنَا قَالَ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ

Koa rehefa torina aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 68

سَنَسِمُهُۥ عَلَى ٱلۡخُرۡطُومِ

Asinay famantarana eo amin'ny vavany. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 68

إِنَّا بَلَوۡنَٰهُمۡ كَمَا بَلَوۡنَآ أَصۡحَٰبَ ٱلۡجَنَّةِ إِذۡ أَقۡسَمُواْ لَيَصۡرِمُنَّهَا مُصۡبِحِينَ

Nosedranay izy ireo tahaka ny nosedranay ireo Tompon'ny saha, izay niozona fa hanao fiotazana ny maraina. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 68

وَلَا يَسۡتَثۡنُونَ

Saingy tsy niteny hoe : raha sitrapon'I Allah izany. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 68

فَطَافَ عَلَيۡهَا طَآئِفٞ مِّن رَّبِّكَ وَهُمۡ نَآئِمُونَ

Ka nisy loza avy any amin'i Tomponao ary nilatsaka nandritra ny natorian'izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 68

فَأَصۡبَحَتۡ كَٱلصَّرِيمِ

Ary ny marina dia tahaka ny nokakasana avokoa ny zavatra rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 68

فَتَنَادَوۡاْ مُصۡبِحِينَ

Nifampiantso izy ireo ny maraina. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 68

أَنِ ٱغۡدُواْ عَلَىٰ حَرۡثِكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰرِمِينَ

Mandehana vao maraina any an-tsaha ianareo, raha te-hioty ny vokatra. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 68

فَٱنطَلَقُواْ وَهُمۡ يَتَخَٰفَتُونَ

Dia nandeha ary izy ireo no sady niresaka moramora hoe : info
التفاسير:

external-link copy
24 : 68

أَن لَّا يَدۡخُلَنَّهَا ٱلۡيَوۡمَ عَلَيۡكُم مِّسۡكِينٞ

Aza avelanareo hidiran'ireo mahantra mihitsy ao androany. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 68

وَغَدَوۡاْ عَلَىٰ حَرۡدٖ قَٰدِرِينَ

Nandeha vao maraina izy ireo, tapa-kevitra ny hahihitra sady natoky fa fahefan'izy ireo izany. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 68

فَلَمَّا رَأَوۡهَا قَالُوٓاْ إِنَّا لَضَآلُّونَ

Ka rehefa hitan'izy ireo izany dia hoy izy ireo : Very lalana tokoa isika. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 68

بَلۡ نَحۡنُ مَحۡرُومُونَ

Na tena niala maina isika. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 68

قَالَ أَوۡسَطُهُمۡ أَلَمۡ أَقُل لَّكُمۡ لَوۡلَا تُسَبِّحُونَ

Hoy ny olo-marina indrindra tamin'izy ireo : "Tsy efa nolazaiko taminareo va raha mba nanome voninahitra an'I Allah mantsy ianareo" info
التفاسير:

external-link copy
29 : 68

قَالُواْ سُبۡحَٰنَ رَبِّنَآ إِنَّا كُنَّا ظَٰلِمِينَ

Dia hoy izy ireo : "Voninahitra ho an'i Tomponay ! Eny nanao ny tsy rariny tokoa izahay." info
التفاسير:

external-link copy
30 : 68

فَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَلَٰوَمُونَ

Avy eo dia nifampitodika izy ireo nifanome tsiny. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 68

قَالُواْ يَٰوَيۡلَنَآ إِنَّا كُنَّا طَٰغِينَ

Ka hoy izy ireo : "loza ho anay ! Nikomy tokoa izahay !" info
التفاسير:

external-link copy
32 : 68

عَسَىٰ رَبُّنَآ أَن يُبۡدِلَنَا خَيۡرٗا مِّنۡهَآ إِنَّآ إِلَىٰ رَبِّنَا رَٰغِبُونَ

Maniry izahay ny mba hanoloan'i Tomponay izany amin'ny zavatra tsaratsara kokoa, ny hanantona ny Tomponay no fanirianay. info
التفاسير:

external-link copy
33 : 68

كَذَٰلِكَ ٱلۡعَذَابُۖ وَلَعَذَابُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَكۡبَرُۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ

Toy izany ny famaizana, fa lehibe noho izany ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr'izy ireo mantsy ! info
التفاسير:

external-link copy
34 : 68

إِنَّ لِلۡمُتَّقِينَ عِندَ رَبِّهِمۡ جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ

Fa mahazo ireo zaridainam-pahasambarana eo akaikin'i Tompony kosa ireo vontom-pinoana. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 68

أَفَنَجۡعَلُ ٱلۡمُسۡلِمِينَ كَٱلۡمُجۡرِمِينَ

Moa va ataonay tahaka ireo mpanao ratsy ireo mpankato? info
التفاسير:

external-link copy
36 : 68

مَا لَكُمۡ كَيۡفَ تَحۡكُمُونَ

Inona no mahazo anareo ? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo ? info
التفاسير:

external-link copy
37 : 68

أَمۡ لَكُمۡ كِتَٰبٞ فِيهِ تَدۡرُسُونَ

Sa manana Boky hianarana kosa va ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
38 : 68

إِنَّ لَكُمۡ فِيهِ لَمَا تَخَيَّرُونَ

Ka ho azonareo amin'izany izay irinareo ? info
التفاسير:

external-link copy
39 : 68

أَمۡ لَكُمۡ أَيۡمَٰنٌ عَلَيۡنَا بَٰلِغَةٌ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ إِنَّ لَكُمۡ لَمَا تَحۡكُمُونَ

Sa nahazo fanomezan-toky marina avy Aminay va ianareo hatramin'ny andro fitsanganana, ka hanomezanay araka izay fanapahan-kevitrareo ? info
التفاسير:

external-link copy
40 : 68

سَلۡهُمۡ أَيُّهُم بِذَٰلِكَ زَعِيمٌ

Anontanio azy ireo izay hiantoka izany aminy. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 68

أَمۡ لَهُمۡ شُرَكَآءُ فَلۡيَأۡتُواْ بِشُرَكَآئِهِمۡ إِن كَانُواْ صَٰدِقِينَ

Na koa manana mpiray antoka va izy ireo ? Aoka ary ho entin'izy ireo izany, raha tena mpilaza ny marina izy ireo ! info
التفاسير:

external-link copy
42 : 68

يَوۡمَ يُكۡشَفُ عَن سَاقٖ وَيُدۡعَوۡنَ إِلَى ٱلسُّجُودِ فَلَا يَسۡتَطِيعُونَ

Amin'ny andro hiatrehan'izy ireo ny zavatra mampihorohoro, ka hiantsoana azy ireo amin'ny fiankohofana, kanefa tsy afaka hanao izany intsony izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
43 : 68

خَٰشِعَةً أَبۡصَٰرُهُمۡ تَرۡهَقُهُمۡ ذِلَّةٞۖ وَقَدۡ كَانُواْ يُدۡعَوۡنَ إِلَى ٱلسُّجُودِ وَهُمۡ سَٰلِمُونَ

Dia hiondrika ny fijerin'izy ireo, ary hanarona azy ny fahafaham-baraka, kanefa dia nantsoina ho amin'ny fiankohofana izy ireo tamin'ny fotoana nahasalama azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 68

فَذَرۡنِي وَمَن يُكَذِّبُ بِهَٰذَا ٱلۡحَدِيثِۖ سَنَسۡتَدۡرِجُهُم مِّنۡ حَيۡثُ لَا يَعۡلَمُونَ

Avelao ary aho hiaraka amin'izay miampanga ity lahateny ity ho lainga, fa ho entinay miandalana amin'izay tsy fantany izy ireo ! info
التفاسير:

external-link copy
45 : 68

وَأُمۡلِي لَهُمۡۚ إِنَّ كَيۡدِي مَتِينٌ

Ka omeko fe-potoana izy ireo fa tena azo antoka tokoa ny tetiko ! info
التفاسير:

external-link copy
46 : 68

أَمۡ تَسۡـَٔلُهُمۡ أَجۡرٗا فَهُم مِّن مَّغۡرَمٖ مُّثۡقَلُونَ

Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao hany ka vesaran-trosa maro izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
47 : 68

أَمۡ عِندَهُمُ ٱلۡغَيۡبُ فَهُمۡ يَكۡتُبُونَ

Sa fantatr'izy ireo va ny zava-miafina ; ka avy amin'izany no anoratany (ny laingany). info
التفاسير:

external-link copy
48 : 68

فَٱصۡبِرۡ لِحُكۡمِ رَبِّكَ وَلَا تَكُن كَصَاحِبِ ٱلۡحُوتِ إِذۡ نَادَىٰ وَهُوَ مَكۡظُومٞ

Zakao amim-paharetana ny didin'ny Tomponao, fa aza manao tahaka ilay olon'ny trondro (jonasy), izay niantso an'I Allah tao anatin'ny tebiteby mafy. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 68

لَّوۡلَآ أَن تَدَٰرَكَهُۥ نِعۡمَةٞ مِّن رَّبِّهِۦ لَنُبِذَ بِٱلۡعَرَآءِ وَهُوَ مَذۡمُومٞ

Raha tsy tonga taminy ny fitahiana avy amin'ny Tompony dia ho voatsipy, ka afa-baraka teny amin'ny tany tsy misy olona izy. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 68

فَٱجۡتَبَٰهُ رَبُّهُۥ فَجَعَلَهُۥ مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ

Dia nofidin'ny Tompony izy, ka nataony ho isan'ireo olo-mendrika. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 68

وَإِن يَكَادُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَيُزۡلِقُونَكَ بِأَبۡصَٰرِهِمۡ لَمَّا سَمِعُواْ ٱلذِّكۡرَ وَيَقُولُونَ إِنَّهُۥ لَمَجۡنُونٞ

Kely fotsiny no tsy handratran'ireo tsy mpino anao amin'ny fijeriny (feno fahatezerana), rehefa mandre ny fampahatsiarovana izy ireo, ka miteny hoe: "Tena adala tokoa izy!" info
التفاسير:

external-link copy
52 : 68

وَمَا هُوَ إِلَّا ذِكۡرٞ لِّلۡعَٰلَمِينَ

Ary tsy inona izany fa fampahatsiarovana ihany ho an'izao tontolo izao. info
التفاسير: