Übersetzung der Bedeutungen von dem heiligen Quran - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

Al-hijr

external-link copy
1 : 15

الٓرۚ تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡكِتَٰبِ وَقُرۡءَانٖ مُّبِينٖ

ALIF, LAM, RA, indro ireo andininy amin’ilay Bokin’ny fahazavana. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 15

رُّبَمَا يَوَدُّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَوۡ كَانُواْ مُسۡلِمِينَ

(Amin'ny Andro fitsarana farany), ireo tsy mpino dia haniry ho mpanetry tena (mpankato). info
التفاسير:

external-link copy
3 : 15

ذَرۡهُمۡ يَأۡكُلُواْ وَيَتَمَتَّعُواْ وَيُلۡهِهِمُ ٱلۡأَمَلُۖ فَسَوۡفَ يَعۡلَمُونَ

Avelao izy ireo hisakafo, hifaly, ary hovariana amin’ny fanantenana, fa tsy ho ela izy ireo dia ahafantatra. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 15

وَمَآ أَهۡلَكۡنَا مِن قَرۡيَةٍ إِلَّا وَلَهَا كِتَابٞ مَّعۡلُومٞ

Nefa Izahay dia tsy mandrava tanàna, raha tsy efa nisy raki-tsoratra voalaza mazava (momba izany). info
التفاسير:

external-link copy
5 : 15

مَّا تَسۡبِقُ مِنۡ أُمَّةٍ أَجَلَهَا وَمَا يَسۡتَـٔۡخِرُونَ

Tsy misy vondron’Olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 15

وَقَالُواْ يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِي نُزِّلَ عَلَيۡهِ ٱلذِّكۡرُ إِنَّكَ لَمَجۡنُونٞ

Ary niteny izy ireo (ireo mponin’ny Makka) ka nanao hoe : “ O Ianao izay nampidinana ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), tena adala tokoa Ianao ! info
التفاسير:

external-link copy
7 : 15

لَّوۡمَا تَأۡتِينَا بِٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ

Nahoana Ianao no tsy tonga Taminay niaraka tamin’ireo Anjely, raha isan’ireo Olo-marina tokoa Ianao ? ” info
التفاسير:

external-link copy
8 : 15

مَا نُنَزِّلُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ إِلَّا بِٱلۡحَقِّ وَمَا كَانُوٓاْ إِذٗا مُّنظَرِينَ

Tsy mampidina ireo Anjely Izahay raha tsy miaraka amin’ny fahamarinana, ary tsy omena fe-potoana ela intsony izy ireo (ireo tsy mpino). info
التفاسير:

external-link copy
9 : 15

إِنَّا نَحۡنُ نَزَّلۡنَا ٱلذِّكۡرَ وَإِنَّا لَهُۥ لَحَٰفِظُونَ

Tena marina fa Izahay tokoa no nampidina ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), ary Izahay ihany no Mpiaro Azy. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 15

وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ فِي شِيَعِ ٱلۡأَوَّلِينَ

Marina fa Izahay dia efa nandefa Iraka talohanao tamin’ireo vahoaka teo aloha. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 15

وَمَا يَأۡتِيهِم مِّن رَّسُولٍ إِلَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ

Nefa mbola tsy nisy Mpaminany iray tonga tamin’izy ireo, ka tsy nohesoiny. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 15

كَذَٰلِكَ نَسۡلُكُهُۥ فِي قُلُوبِ ٱلۡمُجۡرِمِينَ

Tahaka izany no nampidiranay ny tsy finoana tao am-pon’ireo mpanao heloka. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 15

لَا يُؤۡمِنُونَ بِهِۦ وَقَدۡ خَلَتۡ سُنَّةُ ٱلۡأَوَّلِينَ

Tsy hino Azy izy ireo (Iraka na Koroâny), na dia tanteraka tamin’izy ireo ny fahitana izay (nanjò ny Razambeny) teo aloha. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 15

وَلَوۡ فَتَحۡنَا عَلَيۡهِم بَابٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ فَظَلُّواْ فِيهِ يَعۡرُجُونَ

Na dia hosokafanay amin’izy ireo aza ny varavaran’ny lanitra, ka afaka hiakatra ao izy ireo, info
التفاسير:

external-link copy
15 : 15

لَقَالُوٓاْ إِنَّمَا سُكِّرَتۡ أَبۡصَٰرُنَا بَلۡ نَحۡنُ قَوۡمٞ مَّسۡحُورُونَ

Dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tena tampina tokoa ny masonay, na, raha ny marina, dia tena voan’ny famosaviana izahay ”. info
التفاسير: