ترجمة معاني القرآن الكريم - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

رقم الصفحة:close

external-link copy
17 : 79

ٱذۡهَبۡ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ إِنَّهُۥ طَغَىٰ

Mandehana ianao any amin'ny Farao, fa raha ny tena marina dia efa mpikomy izy. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 79

فَقُلۡ هَل لَّكَ إِلَىٰٓ أَن تَزَكَّىٰ

Ary lazao azy hoe: " Manana faniriana hanadio tena ve ianao? info
التفاسير:

external-link copy
19 : 79

وَأَهۡدِيَكَ إِلَىٰ رَبِّكَ فَتَخۡشَىٰ

Ka hotarihiko ho amin'ny fanompoana ny tomponao mba hanampahatahorana Azy ? info
التفاسير:

external-link copy
20 : 79

فَأَرَىٰهُ ٱلۡأٓيَةَ ٱلۡكُبۡرَىٰ

Ary dia nasehony azy ny famantarana lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 79

فَكَذَّبَ وَعَصَىٰ

Nihevitra izany ho lainga anefa izy ka dia tsy nankato, info
التفاسير:

external-link copy
22 : 79

ثُمَّ أَدۡبَرَ يَسۡعَىٰ

Fa nihodina nanda ny finoana izy ireo ary lasa faingana nanao ny faharatsiana info
التفاسير:

external-link copy
23 : 79

فَحَشَرَ فَنَادَىٰ

Dia namory ireo olony izy ary nanao fanambarana. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 79

فَقَالَ أَنَا۠ رَبُّكُمُ ٱلۡأَعۡلَىٰ

ka nilaza hoe: " Izaho no tomponareo, ilay avo indrindra." info
التفاسير:

external-link copy
25 : 79

فَأَخَذَهُ ٱللَّهُ نَكَالَ ٱلۡأٓخِرَةِ وَٱلۡأُولَىٰٓ

Nohon'izany dia nampiharin'I Allah taminy ny sazy teto an-tany ary homeny koa ny any an-koatra, info
التفاسير:

external-link copy
26 : 79

إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبۡرَةٗ لِّمَن يَخۡشَىٰٓ

Izany toe-javatra izany dia fampieritreretana lehibe tokoa ho an'izay manana fahatahorana an'I Allah. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 79

ءَأَنتُمۡ أَشَدُّ خَلۡقًا أَمِ ٱلسَّمَآءُۚ بَنَىٰهَا

Moa ve ny fahariana anareo dia nanao sarotra tokoa nohon'ny nahariana ny lanitra izay naoriny. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 79

رَفَعَ سَمۡكَهَا فَسَوَّىٰهَا

Nataony ho ambony toerana ary vita mitovy tantana, info
التفاسير:

external-link copy
29 : 79

وَأَغۡطَشَ لَيۡلَهَا وَأَخۡرَجَ ضُحَىٰهَا

Nataony ho maizina ny alina ary nohazavany ny androny, info
التفاسير:

external-link copy
30 : 79

وَٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ ذَٰلِكَ دَحَىٰهَآ

Ary ny tany kosa taorian'izany dia nataony midadasika, info
التفاسير:

external-link copy
31 : 79

أَخۡرَجَ مِنۡهَا مَآءَهَا وَمَرۡعَىٰهَا

ka avy taminy no namoahany ny rano sy ny kijana firaofanan'ny biby. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 79

وَٱلۡجِبَالَ أَرۡسَىٰهَا

Ary ireo tendrombohitra dia nataony andry iankinany; info
التفاسير:

external-link copy
33 : 79

مَتَٰعٗا لَّكُمۡ وَلِأَنۡعَٰمِكُمۡ

Mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo, info
التفاسير:

external-link copy
34 : 79

فَإِذَا جَآءَتِ ٱلطَّآمَّةُ ٱلۡكُبۡرَىٰ

rehefa ho tonga ny fikorontanana lehibe, info
التفاسير:

external-link copy
35 : 79

يَوۡمَ يَتَذَكَّرُ ٱلۡإِنسَٰنُ مَا سَعَىٰ

amin'ny andro izay hahatsiarovan'ny olombelona ny asa rehetra nataony, info
التفاسير:

external-link copy
36 : 79

وَبُرِّزَتِ ٱلۡجَحِيمُ لِمَن يَرَىٰ

dia hibaribary amin'izay mijery ny Afo be, info
التفاسير:

external-link copy
37 : 79

فَأَمَّا مَن طَغَىٰ

Fa izay nikomy tsy nankato an'I Allah kosa info
التفاسير:

external-link copy
38 : 79

وَءَاثَرَ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا

sy nifidy ny fiainana eto ambonin'ny tany, info
التفاسير:

external-link copy
39 : 79

فَإِنَّ ٱلۡجَحِيمَ هِيَ ٱلۡمَأۡوَىٰ

dia ny Afo be no hitoeran'izy ireo, info
التفاسير:

external-link copy
40 : 79

وَأَمَّا مَنۡ خَافَ مَقَامَ رَبِّهِۦ وَنَهَى ٱلنَّفۡسَ عَنِ ٱلۡهَوَىٰ

Ary ho an'izay natahotra ny fihaonan'izy ireo eo anoloan'ny Tompony sy nitandrina ny tenany tamin'ny filan-dratsin'ny nofo kosa; info
التفاسير:

external-link copy
41 : 79

فَإِنَّ ٱلۡجَنَّةَ هِيَ ٱلۡمَأۡوَىٰ

dia ny paradisa no ho fonenan'izy ireo, info
التفاسير:

external-link copy
42 : 79

يَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلسَّاعَةِ أَيَّانَ مُرۡسَىٰهَا

Hanontany anao ny amin'ny andro farany izy ireo hoe: "Rahoviana anga no ahatongavan'izany? " info
التفاسير:

external-link copy
43 : 79

فِيمَ أَنتَ مِن ذِكۡرَىٰهَآ

Amin'ny fomba ahoana no hilazanao izany amin'izy ireo? info
التفاسير:

external-link copy
44 : 79

إِلَىٰ رَبِّكَ مُنتَهَىٰهَآ

any amin'ny Tomponao ny fahalalana izany. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 79

إِنَّمَآ أَنتَ مُنذِرُ مَن يَخۡشَىٰهَا

Satria ianao dia mpampitandrina ihany an'izay manana fahatahorana an'izany, info
التفاسير:

external-link copy
46 : 79

كَأَنَّهُمۡ يَوۡمَ يَرَوۡنَهَا لَمۡ يَلۡبَثُوٓاْ إِلَّا عَشِيَّةً أَوۡ ضُحَىٰهَا

Amin'ny andro izay hahitan'izy ireo ny andro farany dia tahaka ny tsy nonina tety an-tany afa-tsy indray maraina na indray hariva fotsiny izy ireo, info
التفاسير: