ترجمة معاني القرآن الكريم - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

سورة الملك - Al-molk

external-link copy
1 : 67

تَبَٰرَكَ ٱلَّذِي بِيَدِهِ ٱلۡمُلۡكُ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٌ

Hamasinina anie Ilay manana ny fanjakana eo am-pelatanany fa Izy dia mahefa ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 67

ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلۡمَوۡتَ وَٱلۡحَيَوٰةَ لِيَبۡلُوَكُمۡ أَيُّكُمۡ أَحۡسَنُ عَمَلٗاۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡغَفُورُ

Ilay Nahary ny fahafatesana sy ny fiainana mba hisedrany anareo,iza aminareo no manao asa tsara indrindra,ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay mpamela heloka. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 67

ٱلَّذِي خَلَقَ سَبۡعَ سَمَٰوَٰتٖ طِبَاقٗاۖ مَّا تَرَىٰ فِي خَلۡقِ ٱلرَّحۡمَٰنِ مِن تَفَٰوُتٖۖ فَٱرۡجِعِ ٱلۡبَصَرَ هَلۡ تَرَىٰ مِن فُطُورٖ

Ilay Nahary ny lanitra fito mifanaingina, ka tsy ahitanao fikorontanana amin'izay noharian' Ilay be fiantrana azy. Koa atopazo amin'izany ary ny masonao. Moa mahita hirika kely amin'izany va ianao? info
التفاسير:

external-link copy
4 : 67

ثُمَّ ٱرۡجِعِ ٱلۡبَصَرَ كَرَّتَيۡنِ يَنقَلِبۡ إِلَيۡكَ ٱلۡبَصَرُ خَاسِئٗا وَهُوَ حَسِيرٞ

Avy eo dia atodio in-droa ny masonao, ka hiverina aminao ny Fijeriny, feno fahamenarana sady trotraka. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 67

وَلَقَدۡ زَيَّنَّا ٱلسَّمَآءَ ٱلدُّنۡيَا بِمَصَٰبِيحَ وَجَعَلۡنَٰهَا رُجُومٗا لِّلشَّيَٰطِينِۖ وَأَعۡتَدۡنَا لَهُمۡ عَذَابَ ٱلسَّعِيرِ

Nohaingonay tokoa ny lanitra akaiky indrindra, tamin'ny alalan'ireo jiro (kintana), izay nataonay ho fitorahana ireo devoly, ary dia nanomana ny famaizan'ny afo mamaivay ho azy ireo Izahay. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 67

وَلِلَّذِينَ كَفَرُواْ بِرَبِّهِمۡ عَذَابُ جَهَنَّمَۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ

Fa izay tsy nino ny Tompony dia hahazo ny famaizan'ny afobe. Fiafarana ratsy tokoa izany ! info
التفاسير:

external-link copy
7 : 67

إِذَآ أُلۡقُواْ فِيهَا سَمِعُواْ لَهَا شَهِيقٗا وَهِيَ تَفُورُ

Rehefa hatsipy ao izy ireo dia handre taraina ary dia hangotrangotraka ny ao. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 67

تَكَادُ تَمَيَّزُ مِنَ ٱلۡغَيۡظِۖ كُلَّمَآ أُلۡقِيَ فِيهَا فَوۡجٞ سَأَلَهُمۡ خَزَنَتُهَآ أَلَمۡ يَأۡتِكُمۡ نَذِيرٞ

Kely fotsiny no tsy ipoahany, vokatry ny Hatezerany. Isaka izay misy andiany atsipy ao dia manontany ireo mpiambina hoe: "Moa tsy nisy mpampitandrina tonga teo aminareo va ?" info
التفاسير:

external-link copy
9 : 67

قَالُواْ بَلَىٰ قَدۡ جَآءَنَا نَذِيرٞ فَكَذَّبۡنَا وَقُلۡنَا مَا نَزَّلَ ٱللَّهُ مِن شَيۡءٍ إِنۡ أَنتُمۡ إِلَّا فِي ضَلَٰلٖ كَبِيرٖ

Dia hoy izy ireo namaly : "Eny ! Nisy tokoa ny mpampitandrina tonga teo aminay, saingy nataonay ho mpandainga, ka hoy izahay : "Tsy nampidina na inona na inona I Allah, fa very lalana tanteraka ianareo". info
التفاسير:

external-link copy
10 : 67

وَقَالُواْ لَوۡ كُنَّا نَسۡمَعُ أَوۡ نَعۡقِلُ مَا كُنَّا فِيٓ أَصۡحَٰبِ ٱلسَّعِيرِ

Ka hoy izy ireo : "Raha mba nihaino na nisaina mantsy izahay dia tsy ho isan'ireo olon'ny afo mamaivay." info
التفاسير:

external-link copy
11 : 67

فَٱعۡتَرَفُواْ بِذَنۢبِهِمۡ فَسُحۡقٗا لِّأَصۡحَٰبِ ٱلسَّعِيرِ

Nihaiky ny fahotany izy ireo. Ho levona mandrakizay anie ireo olon'ny afo mamaivay. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 67

إِنَّ ٱلَّذِينَ يَخۡشَوۡنَ رَبَّهُم بِٱلۡغَيۡبِ لَهُم مَّغۡفِرَةٞ وَأَجۡرٞ كَبِيرٞ

Ireo izay matahotra ny Tompony na tsy mahita Azy aza dia hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe. info
التفاسير: