Nahary ny lanitra sy ny tany tamim-pahamarinana tokoa Izy ka nanome endrika anareo, ary endrika tsara tokoa no nomeny anareo ! Ary any Aminy no fiafarana.
Toy izany no niseho satria tonga niaraka tamin’ny porofo mazava ireo Iraka, ka hoy izy ireo : Olombelona va no hitari-dalana anay ? Tsy nino izy ireo, ka nivily lalana. Tsy nila azy ireo anefa Allah, fa Tompon’ny harena sy mendri-piderana Izy.
Ny andro hamoriany anareo amin’ilay andro fivoriana dia izany no andron’ny fatiantoka lehibe fa izay mino an’Allah sy manao asa soa, dia ho foana ireo asa ratsiny, ka hampidiriny ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny izy ireo, izay honenany mandrakizay doria. Izany no fahombiazana lehibe indrindra !
Fa izay tsy mino kosa, ka niampanga ireo andininy avy Aminay ho lainga, dia izy ireo no olon’ny afo, izay onenany mandrakizay;ary tena fiafarana ratsy tokoa izany !
Tsy misy loza mahazo ny olona, raha tsy alalana avy amin’Allah fa izay mino an’Andriamanitra dia hitari-dalana ny fony Izy. Mahalala ny zava-drehetra Allah.
O anareo mpino ! Misy amin’ireo vadinareo sy ny zanakareo no fahavalonareo. Koa mitandrema ianareo amin’izy ireo, fa raha leferinareo ny tsinin’izy ireo, adinonareo ny hadisoany, ary avelanareo ny helony, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be Indrafo Allah.
Matahora an'Allah arak'izay vitanareo, henoy Izy, ankatoavy, ary manaova fanomezana an-kahalalana, fa soa ho anareo izany, ary na iza na iza voaaro amin'ny fahihirana tafahoatra dia izy ireo no mahita fahombiazana.
Raha manao fampindramana an-tsitram-po amin'Allah ianareo dia hampitomboiny ho anareo izany, ary avelany ny helokareo, fa mpankasitraka sy be fangorahana tokoa Allah.