Izy no namoaka izay tsy nino tao amin’ny tranon’izy ireo, tamin’ireo olon’ny Boky, tamin’ny famoriana voalohany. Tsy noheverinareo handeha izy ireo, ary nihevitra izy ireo, fa niaro azy amin’I Allah ny toeram-pialofany, saingy tonga teo amin’izy ireo tamin’ny tsy nampoiziny ny didin'I Allah, ka nampiditra horohoro tao am-pony. Ny tanan’izy ireo ihany, sy ny tanan’ireo mpino no nandrodana ny tranony. Makà anatra amin’izany ianareo ry nomena fahiratana.
Fa raha tsy efa nodidin’I Allah mialoha ny fialan’izy ireo tamin’ny taniny, dia nosaziany teto an-tany tokoa izy ireo, ary hahazo famaizan’ny afo any ankoatra.
Izay hazo na palma notapahanareo na izay navelanareo hitsangana amin’ny vahatrany, dia alalana avy amin’I Allah izany, ary mba hanalany baraka ireo ratsy fitondran-tena.
Ireo harena no baboina avy amin’ny fananan’izy ireo, ka natolotr’I Allah ny irany tsy nisy ady, ary tsy nampiasanareo soavaly na rameva, fa omen’I Allah ireo irany kosa ny fifehezana amin’izay tiany ary mahefa ny zavatra rehetra Izy.
Ho an’ireo mpifindra-monina sahirana izay voaroaka tamin’ny fonenany sy ny fananany (mahazo anjara amin’izany koa), adidin’izy ireo anefa ny mitady ny fahasoavana sy ny fankasitrahan’I Allah, ary mitondra famonjena izay momba an'I Allah sy ny irany. Izy ireny no olo-marina.
Ho an’ireo nitoetra teo amin’ny tanàna talohan’izy ireo, sady tao anatin’ny finoana, ary mitia ireo mpifindra-monina teo aminy, ka tsy misy fitsiriritana am-po amin’izay azon’izy ireo, fa tia azy ireo noho ny tenany, na dia tsy misy aza eo aminy. Na iza na iza miaro tena amin’ny fahihirana, dia izy ireo no mahita fahombiazana.
Ary izay tonga taorian’izy ireo, ka miteny hoe : Tomponay ô ! Mamelà ny helokay, sy an’ireo rahalahinay, izay nialoha lalana anay tamin’ny finoana ; ary aza hatao misy lolom-po amin’ireo mpino ao am-ponay. Tomponay ô ! be fangorahana sy be indrafo tokoa Ianao.
Raha voaroaka izy ireo, dia tsy hiaraka aminy velively izy ireny ; ary raha misy manafika izy ireo, dia tsy hamonjy akory izy ireny, fa na hamonjy aza, dia azo antoka fa hanome lamosina, ka tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
Tsy hifarimbona hiady aminareo izy ireo, afa-tsy ao anaty tanàna nohamafisina, na avy any ambadiky ny tamboho. mafy ny tsy fifanarahan’izy ireo, heverinao fa miray hina izy ireo, kanefa mizarazara ny fony ! Satria olona tsy misaina izy ireo.
Raha nampidininay tamina tendrombohitra ity Koroany ity, dia hitanao fa nanetri-tena izy, ka nitresaka nohon'ny tahotra an’I Allah, fa ireny fanoharana ireny, dia ambaranay amin’ny olona mba hieritreretany.