Henon'I Allah tokoa, ny tenin'ilay vehivavy miady hevitra aminao mikasika ny vadiny, ka mitaraina amin'I Allah. Ary henon'I Allah ny resakareo. Marina tokoa fa I Allah Ilay Mandre sy Mahita ny zava-drehetra.
Fa izay tsy afaka manao izany kosa, dia tsy maintsy mifehy roa volana mifanesy, alohan'ny hikasihany ny vadiny. Fa raha tsy afaka manao izany ihany koa izy, dia aoka izy hanome sakafo olona mahantra enim-polo. Izany dia mba hinoanareo an'i Allah sy ny Irany, izay fepetra napetrak'I Allah. Fa ireo tsy mpino kosa dia hahazo famaizana mamirifiry.
Izay manohitra an'I Allah sy ny Irany, dia hazera tahaka ny nanjerana ireo teo alohany. Efa nampidina porofo mazava Izahay, ka hahazo famaizana mamirifiry.
Amin'ny andro hananganan'I Allah azy rehetra amin'ny maty, ka hampahafantariny izay nataon'izy ireo. Nisain'I Allah izany, saingy hadinon'izy ireo. Fa mahita ny zavatra rehetra I Allah.
Tsy hitanao va fa fantatr'i Allah izay any an-danitra sy ety an-tany? Tsy misy resaka miafina ataon'olona telo, raha tsy fahaefatra amin'izy ireo Izy, na amin'ny fahadimy, ka tsy fahaenina amin'izy ireo Izy, na latsaka noho izany, na mihoatra, dia ho eo amin'izy ireo Izy, amin'izay misy azy ireo. Avy eo, hampahafantariny azy ireo izay nataony, amin'ny andron'ny fitsanganana, fa mahafantatra ny zavatra rehetra Allah.
O ianareo mpino ! Rehefa manao resaka miafina ianareo, dia aza mifandinika hanota, sy handika lalàna, ary tsy hankato ny Iraka, fa mifandinia kosa, amin'ny hatsarana sy ny fitandremana . Ary matahora an'I Allah, izay hamory anareo any Aminy.
Ny fanaovana fivoriana miafina hikatsahana ny zava-dratsy dia tsy inona fa avy amin'i Satana, mba hampahoriany izay mino. Saingy tsy afaka hanisy ratsy azy ireo izany, raha tsy alalana avy amin'I Allah. Fa amin'I Allah no tokony hianteheran'ireo mpino.
Fa ianareo mpino ! Raha ilazana ianareo hoe : "Manomeza toerana ho an'ny hafa amin'ny fivoriana", dia aoka hanome toerana. Fa hanamboaran'I Allah toerana ianareo (any amin'ny paradisa). Ary raha asaina mitsangana ianareo dia aoka hitsangana. Fa hasondrotr'I Allah izay mino aminareo, sy izay nahazo fahalalana. Mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.
O ianareo mpino ! Raha misy dinika manokana hataonareo amin'ny Iraka, dia manolora fanomezana alohan'ny dinika izay ataonareo, tsara kokoa ho anareo izany sady madio. Fa raha tsy manan-katao amin'izany ianareo, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.
Matahotra va ianareo ny hanolotra fanomezana alohan'ny dinika ? Saingy raha tsy manao izany ianareo, ka mamindra fo aminareo I Allah, dia ho ampy anareo ny fanompoam-pivavahana sy ny famoahana zakat, ary ny fankatoavana an'I Allah sy ny Irany. Fa fantatr'I Allah izay ataonareo.
Tsy ahita olona amin’ireo mino an'I Allah sy ny andro farany ianao, ka haka namana ireo izay manohitra an’I Allah sy ny Irany, na dia ny rainy, na ny zanany, na ny rahalahiny aza izany, na ny olona ao amin’ny fokony. Napetrany ao am-pon’izy ireo ny finoana, ary nampiany tamin’ny famonjeny izy ireo, hampidiriny any amin’ny zaridaina misy renirano mikoriana eo ambany izy ireo, ka hipetraka ao mandrakizay. Mankasitraka azy ireo Allah, ary mankasitraka an’I Allah koa izy ireo. Izy ireo no antokon'I Allah. Moa tsy ny antokon'I Allah va no tafita?