O ianareo mpino ! Aza mamono biby fihaza ianareo raha mbola ao anatin’ny Ihram . Ary izay mamono izany aminareo an-tsitrapo dia manolo mitovy amin’ izay biby novonoiny izy, ka hitsara izany ny olona roa azo antoka avy aminareo, ho fanatitra amin’ny Ka’aba , na ny onitra dia ny fampihinanana sakafo ireo mahantra, na ny fifehezana mifandanja amin’izany, mba hanandramany ny voka-dratsin’ny asa izay nataony. Namela izay efa lasa i Allah, ary izay mamerina dia ho sazin’i Allah. Ary Allah dia Mahery sy Tompon’ny fanasaziana.