O ianareo izay mpino! Aza manao tsinotsinona ireo fomba amam-panao famantarana an'I Allah ianareo,na ny volana masina, na ireo biby atao sorona , na ireo famantarana atao amin’ny biby atao sorona, na ireo mandeha am-pilaminana mankany amin’ny trano masina ka mitady avy amin’ny Tompony ny fahasoavana sy ny fahafaham-po. Ary rehefa afaka fady ianareo dia afaka mihaza, ary aoka ny hatezeranareo tamin’ny vahoaka izay nisakana anareo mankany amin’ny Masjid Al Haram tsy handrisika anareo amin’ny fandikana ny didy aman-dalàna, ary mifampianara ianareo amin’ny fanaovana asa soa sy ny fatahorana an’I Allah, ary aza mifanampy amin’ny fanaovana aratsiana sy ny fandikana ny didy aman-dalàna. Ary matahora an’I Allah ianareo, tena marina fa I Allah dia tena mafy amin'ny fanasaziana.