Ary ireo izay miteny hoe: “Marina tokoa fa izahay dia Kristianina,”nekenay ny fanekena nataon’izy ireo. Kanefa nanadino ny ampahany amin’izay nampatsiahivana azy izy ireo. Ary napoitranay teo amin’izy ireo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana. Ary I Allah dia hanambara azy ireo izay rehetra nataony.
O ianareo ry olon’ny boky! Efa tonga taminareo ny Irakay, nanazava taminareo ny maro tamin’izay nafeninareo, tamin’ny boky, ary koa nandefitra zavatra maro. Efa tonga aminareo ny hazavana avy tamin'I Allah sy ny boky mazava.
Ary tena tsy nino tokoa ireo izay niteny hoe: “Marina fa I Allah, izy no ilay Mesia (Jesoa) zanak’i Maria. Teneno hoe: “Ka iza no afaka hanakana an’I Allah, na dia kely aza, raha te-handrendrika an’i Mesia zanak’i Maria sy ny reniny, ary izay rehetra eto ambonin’ny tany Izy?. Ary an’I Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny tany sy amin’izay rehetra anelanelan’izy roa”. Manamboatra izay sitrany Izy. Ary I Allah dia mahefa ny zava-drehetra.