Toy izany koa ny amin’ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, ary izay ampidinin’I Allah avy eny amin’ny lanitra, amin’ireo anjaram-pahasoavana (orana), izay amelomany ny tany efa maty, ary ny fipariahan’ny rivotra, misy famantarana ho an’ireo olona misaina tokoa izany.
Izany no andininy avy amin’I Allah izay vakianay aminao amim-pahamarinana. Ka teny manao ahoana no hinoan’izy ireo aorian’ny tenin’I Allah sy ireo famantarana avy Aminy ?
Allah, Izy no nametraka ny ranomasina teo ambany fifehezanareo, mba handehanan’ireo sambo avy amin’ny baikony, ka hitadiavanareo ny fahasoavany, mba hahaizanareo mankasitraka.
Napetrany ho eo ambany fifehezanareo izay eny an-danitra sy ety an-tany, ary ny rehetra dia avy Aminy avokoa. Misy famantarana tokoa ny amin’izany ho an’ireo olona mieritreritra.