Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ny lanitra sy ny tany ? ”. Dia hiteny tokoa izy ireo hoe : “ ilay Tsitoha, ilay Mahalala ny zavatra rehetra no Nahary azy ireo.”
Mba hipetrahanareo eo an-damosiny. Manaraka izany, dia aoka ianareo hahatsiaro ny soa avy amin’ny Tomponareo rehefa tafapetraka eo aminy ianareo, ary hitenenanareo hoe : “ Voninahitra ho an’ilay nampanaiky izao rehetra izao ho anay, nefa tsy afaka nahafehy izany izahay".
Ary dia lazain’izy ireo ho vavy ireo Anjely mpanompon’ilay be Fiantrana !Fa vavolombelona tamin’ny nahariana izany va izy ireo ? Ho soratana ny fijoroany ho vavolombelona, ary dia hanontaniana ny amin’izany izy ireo.
Ary hoy izy ireo : “ Raha sitrak’ilay be Fiantrana, dia tsy ho nanompo azy ireo izahay.” Tsy manana fahalalana ny amin’izany izy ireo, fa tombatombana fotsiny ihany.
Fa izy ireo va no mizara ny famindram-pon’ny Tomponao ? Izahay no nizara tamin’izy ireo ny fivelomany amin’ny fiainana ankehitriny, ary manondro-boninahitra ny sasany ho ambony noho ny hafa, mba hifehezan’ny sasany ny hafa. Tsara kokoa noho izay angonin’izy ireo anefan'ny famindram-pon’ny Tomponao.
Raha tsy natao ho mpiara-monina iray ny olombelona, dia azo antoka fa nomenay trano misy tafo vola fotsy sy tohatra miakatra amin’izany, ireo tsy mino ilay be Fiantrana,
Ary koa ravaka maro. Izany rehetra izany dia fahafinaretana mandalo eto amin’ny fiainana an-tany ihany, fa ny any ankoatra kosa, izay any amin’ny Tomponao, dia ho an’ireo vonto-mpinoana.
Nalefanay ny Iraka tamin’ny fahagagana avy Aminay tokoa I Mossa, ho any amin’ny Faraona sy ireo loholony. Hoy izy : “Izaho dia Iraky ny Tompon’izao tontolo izao.”
Ary dia niantso ny vahoakany i Faraona, ka niteny hoe : “Ry vahoakako ! Tsy ahy va ny fanjakan’i Ejipta, sy ireo lakan-drano mikoriana eo an-tongotro ? Moa tsy mijery va ianareo ?
Ka miteny hoe : “Ny Andriamanitray va no tsara kokoa sa izy ?” Hifandirana ihany no nanomezan’izy ireo izany ohatra izany taminao. Fa tena olona fatra mpifanditra izy ireo.
Hampandalovina eny amin’izy ireo ny lovia volamena sy ireo kapoaka; fa hisy izay rehetra irin’ny vatana sy mahafaly ny maso ao; ka dia hipetraka ao mandrakizay ianareo.
Ary dia hiantso izy ireo hoe: “Ry Malik (Anjely) ! Aoka hamono anay ho faty ny Tomponao! ” Ka hoy izy: “Raha ny marina dia natao hipetraka ao mandrakizay ianareo.”
Sa mihevitra va izy ireo fa tsy henonay ny tsiambaratelony, na ny bitsik’izy ireo? Eny! Mandray an-tsoratra izany ireo (Anjely) Irakay akaiky azy ireo.
Ho hamasinina anie Ilay Tompon’ny Fanjakan’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelan’izy ireo. Izy no manana ny fahalalana ny Ora. Fa any Aminy no hamerenana anareo.
Fa raha anontanianao izy ireo: “Iza no nahary azy ireo ?”, dia hiteny tokoa izy ireo hoe: “Allah.” Ka nahoana àry izy ireo no mihataka (amin’ny fanompoana Azy) ?