Ary tompoinareo I Allah, ary aza atambatrareo amin’ny zavatra hafa Izy. Ary manaova ny tsara amin’ireo ray aman-dreninareo, ireo havana akaiky, ireo kamboty, ireo mahantra, ny havana mpifanolo-body rindrina, ny mpifanolo-body rindrina tsy havana (na ny havana lavitra), ny namana akaiky, ny mpandeha lavitra (lany vatsy), ary ireo andevo eo am-pelatananareo. Tena marina fa I Allah dia tsy tia ny mpanambony tena sy ny mpirehareha.