Ho an’ireo vehivavinareo izay manao asa vetaveta (mijangajanga), dia manangàna vavolombelona efatra Aminareo eo anatrehany. Koa raha nitsangana vavolombelona izy ireo, dia tazony ao an-trano izy ireo, mandra-pahatongavan’ny fahafatesany, na koa i Allah hamoaka lalàna hafa ho azy ireo.