An’I Allah ny finoana madio, fa ireo izay maka piahy hafa ankoatr’Azy kosa dia milaza hoe: “ny hampanakaiky anay kokoa amin’I Allah no anompoanay azy ireo”. Hamafisina, fa hitsara azy ireo amin’izay mampifanditra azy ireo I Allah. Tsy mitari-dàlana izay mpandainga sy tsy mahay mankasitraka tokoa I Allah.
Raha maniry te-hanan-janaka I Allah, dia afaka nisafidy tamin’izay namboariny Izy. Voninahitra anie ho Azy! Fa Izy no Allah, Ilay Tokana, Ilay Mpifehy faratampony.
Fa tamim-pahamarinana no nahariany ny lanitra sy ny tany. Mampifandimby ny alina amin’ny andro Izy, ary mampifandimby ny andro amin’ny alina, ary nofeheziny ny masoandro sy ny volana ho samy manohy ny diany tsirairay avy amin’ny tanjona voafetra. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay fatra mpamela heloka.