Dera hoan’i Allah Tompon’izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany. ary Azy ny fiderana any an-koatra ary Izy no ilay be faendrena , ilay mahalala tongalafatra.
Hoy ireo tsy mpino : “ tsy ho avy aminay ilay Ora ”. lazao hoe : “ marina eo anatrehan’ny Tompoko! fa tsy maintsy ho avy aminareo tokoa izany. Mahafantatra ny zava-miafina Izy. tsy misy miafina Aminy, na dia lanjan-javatra kely iray tsy hita maso (atoma) aza eny ambonin’ny tany, na any an-danitra, na bitika kokoa noho izany aza, na lehibe dia efa voasoratra ao amin’ny bokim-pahazavana.
Ary ireo nomena fahalalana, dia mahita fa izay nampidinina teo aminao, avy amin’ny Tomponao no fahamarinana, izay mitarika ho any amin’ny làlan’ilay tsitoha, ilay mendri-piderana.
Ary hoy ireo tsy mpino; “ tianareo va ny hanehoanay aminareo ilay olona milaza, fa rehefa potika tanteraka ianareo, dia tsy isalasalana fa hiseho ho voahary vaovao indray.