Raha hitanao ireo mpanao heloka bevava, mitanondri-doha eo anoloan’ny Tompony izy ireo ! “Tomponay ô ! Nahita sy nandre izahay, koa avereno àry izahay mba hanao ny tsara; tena marina fa mino tanteraka izahay (ankehitriny)”.
Raha sitrakay, dia nomenay ny tari-dàlany avy ny fanahy tsirairay. Kanefa tsy maintsy tanterahana ny teny avy aty Amiko : “ Tena ho fenoiko ireo jiny sy ireo olombelona ny Afobe”.
Ny tena mino ireo fanambaranay dia ireo izay, rehefa ampahatsiahivana azy ireo izany, dia miantoraka miankohoka izy ireo, ka mankalaza sy midera ny voninahitry ny Tompony, ary tsy feno fiavonavonana izy ireo.
Fa ho an’ireo izay manao ny asa ratsy kosa, ny fialofan’izy ireo dia ny Afobe. Isaka ny maniry ny hiala ao izy ireo, dia averina ao, ary hotenenina izy ireo hoe : “Andramanareo ny famaizan’ny Afobe izay nolazainareo fa lainga”.