Nohatsaraina ho an’ny Olombelona ny fitiavana ny zavatra izay ankafiziny : amin'ireo vehivavy, ireo zanaka, ny harena betsaka amin’ireo volamena sy ny volafotsy, ireo soavaly voamarika, ireo biby fiompy sy ny tanimboly. Izany rehetra izany dia fahafinaretan’ny fiainana eto ambonin’ny tany. Ary eo anatrehan’i Allah no misy ny fiverenana tsara indrindra.