Ka tsy nanana valin-teny hafa ny vahoakany afa-tsy nilaza hoe : “Vonoinareo izy, na doronareo”. Nefa navotan’I Allah avy tamin’ilay afo izy. Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mino.
Ary niteny izy hoe : “Tena marina fa nandray ireo sampy ianareo, ankoatr’I Allah, ho fanamafisana ny fifankatiavana eo aminareo amin’ny fiainana eto an-tany. Avy eo, amin’ny Andro Fitsanganana, dia hifampitsipaka ny andaniny sy ny ankilany aminareo, ary hifanozona koa ny andaniny sy ny ankilany, ka ny Afobe no ho fonenanareo, ary tsy hanana mpanavotra ianareo.
Nomenay azy Isaaka sy Jakoba, ary napetrakay tamin’ny taranany ny faminaniana sy ny Boky. Ary natolotray ho azy ny valisoany eto an-tany, fa ny any ankoatra kosa dia ho anisan’ireo olon-kendry izy.
Ary i Lota, raha niteny tamin’ny vahoakany izy nanao hoe : “Tena marina fa ianareo dia tena manao ny asa vetaveta izay tsy nisy na dia iray aza nialoha anareo tamin’izany teto amin’izao tontolo izao.