Avy eo dia iny ianareo fa nifamono ary nandroaka avy tamin'ny fonenany ny sasany taminareo; ka niara-nifarimbona tamin'ny fahavalo mihitsy ianareo nanao fahotana sy ny tsy rariny niady azy ireo. Ary raha babo (ny fahavalo) izy ireo ka tonga aminareo dia aloanareo ny vidim-panavotana ho azy ireo; nefa voarara taminareo ny fanaovana azy ireo sesitany. ka moa ve ianareo mino ny ampahany amin'ilay Boky nefa tsy mino ny ampahany hafa ? ! ka inona no valiny asetry izay manao izany aminareo afa-tsy ny fanalam-baraka (azy ireo) amin'ny fiainana eto an-tany; ary amin'ny Andron'ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo dia alefa any amin'ny sazy tena henjana indrindra. ary Allah dia tsy variana mihitsy manoloana izay ataonareo.