وَإِذۡ قُلۡنَا ٱدۡخُلُواْ هَٰذِهِ ٱلۡقَرۡيَةَ فَكُلُواْ مِنۡهَا حَيۡثُ شِئۡتُمۡ رَغَدٗا وَٱدۡخُلُواْ ٱلۡبَابَ سُجَّدٗا وَقُولُواْ حِطَّةٞ نَّغۡفِرۡ لَكُمۡ خَطَٰيَٰكُمۡۚ وَسَنَزِيدُ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Ary tsarovinareo raha niteny izahay hoe : ” Midira amin’io tanàna io ianareo, ka mihinàna am-piadanana amin'izay ao, araka ny sitraponareo. Ary midira ny varavarana am-piankohofana ianareo sady mitenena hoe : " Fafao ny fahotanay "; fa havelanay ireo fahotana vitanareo; ary hampitomboinay ny fahasoavan'ireo mpanao soa.
التفاسير: