Ary tsarovinareo, raha nananatra ny vahoakany i Moussa : “Ry vahoakako! Tena nanao ny tsy rariny teo amin’ny tenanareo tokoa ianareo raha namorona sariomby natao sampy hotompoina. Ka ndeha miverena amin’Ilay Mpahary anareo; ary ataovy sorona ny ainareo, izany no tsara aminareo eo anatrehan’Ilay Mpahary anareo”; ka hahatonga Azy hamela heloka anareo. Hamafisina, fa Izy tokoa no Ilay Mpamela heloka, sy Mpamindra-fo.