Ireo izay mihinana ny zana-bola (ribà), dia tsy hitsangana amin’ny andro farany raha tsy tahaka ny hitsanganan’ny olona adala noho ny fifampikasohana tamin’i satana. Izany dia noho ny filazan’izy ireny hoe: “Tsy inona akory ny varotra fa sahala amin’ny fanjanaham-bola ihany”. Fa nataon’Allah ho ara-dalàna ny varotra, ary nataony ho voarara kosa ny fanjanaham-bola. Ka izay nahazo anatra avy amin’ny Tompony, dia nitsahatra tamin’izany, fa azy avokoa izay voahangony teo aloha; ary any amin’Allah ny momba azy. Fa izay mbola mifikitra amin’izany kosa, dia ireo indrindra no olon’ny Afobe izay hitoetra ao mandrakizay.