Izy no Ilay nanao ny tany ho fandriana ho anareo, sy ny lanitra ho tafo; ary nampirotsaka ny ranon’orana avy any an-danitra ka nampamoa ny ampahany amin’ireo voankazo isankarazany mba ho anjara fivelomanareo. Noho izany, dia aza ataonareo ho misy mitovy Aminy i Allah, fa efa fantatrareo rahateo izany.