Ary n’aiza n’aiza ny toerana ivoahanao, dia atodiho any amin’ny Al-Masjid Al-Haram ny tavanao. Ary n’aiza n’aiza ny toerana misy anareo, dia atodiho any aminy ny tavanareo, mba tsy hananan’ny olona porofo entina hanoherana anareo, afa-tsy ireo izay nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo. ka aza matahotra azy ireo ianareo, fa Izaho no atahory, mba hamenoako ny fahasoavako aminareo, ary angamba hahitsy tanteraka ianareo.