Ary tsarovy raha niteny i Mpaminany Ibrahim (A.s) ka nanao hoe : " Tompo ô ! Ataovy feno fandriampahalemana ity tanàna ity, ary omeo anjara amin’ireo voankazo ny mponina ao aminy, izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany amin'izy ireo ".Dia niteny Izy i Tompo Allah fa hoe : " Fa izay mikomy kosa dia homeko fahafinaretana kely ihany, ary avy eo hotereko ho any amin’ny famaizan’ny Afobe izy. ka izany tokoa no fiafarana ratsy indrindra izay hiafarany izany ! ".