Ary tsy ho faly aminao velively ny Jiosy sy ireo Kristianina, raha tsy manaraka ny finoany ianao. Koa lazao azy ireo : “Lazaiko sy hamafisiko, fa ny taridàlan’Allah no làla-marina”. Fa raha ianao indray no hanaraka ny sitrapon’izy ireo taorian’ny nanomezan’Allah anao ny Fahalalàna, tsarovy, fa tsy hanana sakaiza mpiaro na koa mpamonjy afa-tsy Allah irery ihany ianao.